]
Les quotidiens du 16 Jan 2018
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Antenimierampirenena. Dia tsy tahotra, tsy henatra ihany koa ingahy Djao Jean

Antenimierampirenena. Dia tsy tahotra, tsy henatra ihany koa ingahy Djao Jean

Aleho aloha tsorina ny marina. I Rémi na koa Djao Jean no any tena solombavambahoaka voafidy foana any aminy. Any Antsohihy any amin’ny faritan’i Mahajanga izany. Asa efa in-efatra angamba izy no voafidy. Ankoatra ny naha CST azy tao amin’ny tetezamita farany iny (2009-2013). Tadidinareo ilay volavolan-dalàna momban’ny toaka gasy hoe azo amidy ankalalahana tamin’ny fitondrana Ravalomanana (tsy lany mihitsy io lalàna io nefa tsara ilay hevitra)? Ny dikany dia mihoatra ny 20 taona izy izany no «niasa» tao amin’ny Lapan’ny Antenimierampirenena ao Tsimbazaza. Izay angaha no nahatonga azy nieritretitra ny resaka «caisse de retraite» na vata fisotroan-drono ho an’ny solombavambahoaka? Asa.

Fa tamin’ny fivoriana ara-potoan’ireo solombavambahoaka mamarana ny taona 2017 dia narosony tokoa ny volavolan-dalàna laharana 004-2017-PL momban’ny hoe «création et règlementation de la caisse de retraite parlementaire, présentée par le Député de Madagascar, Rémi dit Djao Jean, vice-président de l’Assemblée nationale». Rehefa nihemotra indray mandeha ny fandaniana azy io -mahay sarimihetsika be ny ao Tsimbazaza ao mantsy- dia lany soa aman-tsara io volavolan-dalàna io ny Alakamisy 7 desambra 2017, rehefa nasiana «fanitsiana» avy any amin’ny governemanta. Fa dia mampiaiky tokoa aloha ny fahaizan’ny sasany manafangaro ny tsy tokony afangaro.


Hoy tokoa mantsy, i Benja Urbain Andriatsizehena, solombavambahoaka lany tao Manakara: «Io lalàna io dia mifototra amin’ny hoe izahay solombavambahoala dia olom-boafidy tahaka ireo filoha teo aloha izay mahazo tombontsoa rehefa tsy eo am-perinasa intsony». Mampiaiky, hoy aho. Satria dia atao kapoka iray fa mitovy izany ny «asa» sahanin’ny Filoham-pirenena sy ny «asa» ataon’ireo solombavambahoaka. Nefa mazava: ny iray lehiben’ny mpanatanteraka («pouvoir exécutif»), ny faharoa mpanao lalàna («pouvoir législatif»). Anareo mpamaky no mitsara izany fanoharana izany.

Marina aloha fa ao Frantsa ao, hatreto aloha, dia mahazo fisotroan-dronono isam-bolana ny solombavambahoaka. Tsy tokony adino anefa fa mandoa latsakemboka («cotisation») ry zareo. Ary ny mpiasa rehetra, na mpiasam-panjakana na mpiasan’ny sehatra tsy miankina, tompoko, dia anesorana ny karamany mba fandraisany anjara amin’izany fisotroan-dronono izany rehefa tonga ny fotoana hitsaharany ka mba hiainany ampilaminana, lavitry ny tsy fisiana tanteraka, mandrapahatonga ny ora andaozana ity tany ity.

Nanao izany ve ireto solombavambahoaka malagasy ireto hatramin’izay ary aiza ny vola no naloa? Tsy adino koa anefa fa any Frantsa ihany dia miala any ny hoe « loi sur la moralisation de la vie publique» azo adika amin’ny hoe lalàna manadio ny foto-pisainan’ireo olom-pirenena, na voafidy ireo na voatendry. Ny dikany dia ho foanana ireo tombontsoa toa ny «indemnité représentative de frais de mandat» sy ny «régime de retraite des parlementaires». Ialan-tsiny amin’ireo teny frantsay ireo fa ataoko fa mazava aminareo tsara amin’izay.

Eto koa isika no hanontany tena hoe hanao ahoana ny ho tohiny io resaka vola fisotroan-dronono « omena » ireo solombavambahoaka? Satria rehefa tsy nandoa latsakemboka na iraimbilanja aza ireo dia ny volanao, ny volako, ny volantsika indray izany no hangalana kanefa tena tsy mahafam-po mihitsy ny ataon’ireo depiote ireo amin’ny fandaniana fahatany izay lalàna rehetra hamono ny firenena iray manontolo. Ny «Loi de Finances 2018», ohatra, dia manambara fa manomboka ny volana Janoary ho avy dia hiakatra 20% ny haba aloa amin’ny fanafarana solika («Taxe sur les produits pétroliers»). Mazava fa hiakatra daholo izay tsy hiakatra, eny hatramin’ny tosi-drà hitarika fahafatesana... Momban’ny hoe ZES («Zone économique spéciale») sy ZIA («Zone d’investissement agricole») moa dia izao ny ho lazaina atsy ho atsy: veloma ry tanindrazana malala!

Fa ity koa mbola loza hafa. Mety hiverina ny resaka 4X4 sy tombontsoa eo no eo amin’io taom-baovao io. Ny antony ilazako izany dia ity: io lalàna 004-2017-PL io dia tsy afaka hanan-kery raha tsy mahazo ny fankatoavana avy amin’ny HCC izay ambanin’ny vahaohon’ny filoham-pirenena tanteraka. Ity farany moa dia hirotsaka amin’ny fifidiana filoham-pirenena ho avy. Tsy adala loatra izy ka fantany fa tsy ho lany mihitsy izy raha lalao madio no atao. Noho izany dia tsy maintsy ovainy ny andininy sasany ao amin’ny Lalampanorenena izay nanaovany fianianana fa ho hajaina tahaka ny anankandriamaso. Ssss ! Ianareo no te-hifidy ahy, moa ô? Tsy inona ireo fa ny tsy maintsy hametrahany fialana telo volana mialohan’ny fifidianana ary mikasika ny taonan’ireo kandida hifaninana. Re fa eo anelanalan’ny 45 sy 65 taona. Mazava fa voahilika soa aman-tsara i Andry Rajoelina (43 taona) sy Marc Ravalomanana (68 taona).


Ka izao izany ny «fifanarahana» tsy ho fanta-tsika vahoaka, nefa mazava be tahaka ny karatr’i Naivo: omena 4X4 sy fisotroan-dronono ary koa «assurance vie» (nangataka io koa anie ireo badraodra ireo e!) ny depiote fa tsy maintsy laniana soa aman-tsara, toa ny mahazatra, ny lalàna mikasika ny faniliana ireo kandida roa ireo sy ny hafa koa. Ka rehefa lalàna malagasy moa inona no antony tokony hidiran’ny «communauté internationale» moa ô? Eo no hiraradraraka ny hoe «tany manana ny fiandrianam-pireneny i Madagasikara». Maninona koa moa raha izy irery tokoa no milatsaka, toa an’i Jean Max Rakotomamonjy ao Tsimabazaza sy Rivo Rakotovao ao Anosikely, dia hita eo raha hitehaka ny ambany lanitra e!? Ny vazivazy eo ihany fa mino ve ianareo mpamaky fa dia hionona amin’izany ny fiaraha-monina malagasy eran’ny Nosy ka dia anaiky fotsiny toa omby entina eny amin’ny labatoara? Toa kely finoana amin’izany raha izaho manokana aloha.

Fa n’inona n’inona no hitranga aloha dia ingahy Djao Jean no ho tomponandraikitra voalohany, iavian’ny gidragidra («L’homme par qui le scandale arrive»). Devoly anie ireo mpitondra Hvm ireo e! Tandremo fa tsy izaho no nilaza izany fa i Rolly Mercia na Harry Laurent Rahajason, ministra mavitrika misahana ny Serasera, izay hanao mihoatra noho ny nataon’ny ministra Bruno Andriatavison fony ny fitondrana Ravalomanana. Efa nanomboka izy. Mamakia «La Gazette de la Grande île» foana dia ho fantatreo ny antsipirihiny. Mandra-pà aloha dia samia ho ela velona mandra-paty e!

Jeannot Ramambazafy – Nivoaka ao amin’ny gazety «La Gazette de la Grande île» tamin’ny Sabotsy 16 Desambra 2017 ihany koa io lahatsoratra io


Mis Ă  jour ( Dimanche, 17 DĂ©cembre 2017 12:16 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Pour lutter contre Lucifer, restons dans la Lumière

 

Eric Randrasana. Dans quelle galère s’est-il fourré pour oser renier ses convictions?

 

Ratsivalaka Rahantasoa Liliane. Nandao ity tany fandalovana ity ny 8 Janoary 2018

 

France Gall est décédée ce 7 janvier 2018, elle avait 70 ans

 

Madagascar ZES. Le FMI émet officiellement des doutes sur la loi votée

 

Hery Rajaonarimampianina. Fiarahabana: Inona indray no lainga holazaina amin’ny vahoaka?

 

Madagascar. Bianco/Unesco: tous contre la corruption

 

Malagasy Kidnapping. Porte ouverte aux kidnappeurs Ă  la sauvette

 

Madagascar. Inaptocratie ou faits accomplis du régime Hvm, qu’il a vraiment accompli

 

Jeannot Ramambazafy: Compte Twitter