]
Les quotidiens du 23 May 2017
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Evekan’i Madagasikara : Ireo mba manana hazon-damosina indray hampihorohoroana ary hamoronana «dossiers» tsy marina, dia gadraina

Evekan’i Madagasikara : Ireo mba manana hazon-damosina indray hampihorohoroana ary hamoronana «dossiers» tsy marina, dia gadraina


*********************

FIVONDRONAMBEN’NY EVEKA ETO MADAGASIKARA

Hafatra – Volana Mai 2015

RAISO NY FANAHY MASINA MPAMPIHAVANA HAFATRA HO AN’NY KRISTIANINA REHETRA SY IREO TSARA SITRAPO REHETRA

«Homba antsika mianakavy anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin’i Jesoa Kristy Tompontsika».

Andeha isika hiroso miandalana mankany amin’ny fankalazana ny Pantekôty, handray ny Fanahy Masina.Ilay fety fanirahana hizara ny Vaovao Mahafaly sy ny Fiadanana hanerana ny tany, hampihavana izao rehetra izao. Ny zava-misy iainantsika anefa izao dia mampisavorovoro ny saim-bahoaka; very fanahy mbola velona ny maro, ary toy ny valala voatango ny madinika sy ny mahantra.

1- MIJERY MIARA-MAHITA ISIKA RAHA HILAZA FA :

Miharihary ankehitriny ny fahantrana mihanaka manerana ny Nosy. Io no fototry ny olana mampikorontana ity firenena ity. Tsy misy intsony ny fifampitokisana amin’ny sehatra isan’ambaratonga sy ny toeram-piasana samihafa.

Ahiana ho efa misy mivoy azy ny adim-poko sy saranga, ny fanindrahindrana toeram-pihaviana sy firazanana izay mpisavorovoro saim-bahoaka. Tsarovy fa Malagasy iray isika. Lasa kolom-piainana mahazatra, tsy mbola nahitana fanàfana hatramin’izaony fahalovana («corruption») amin’ny lafiny rehetra, mamono tanteraka ny maha-olona. Nahoana no mbola mitohy ny fividianana olona, hitarihana azy hanohana tsangan-kevitra na olona na dia mifanohitra amin’ny konsiansiny aza, indrindra amin’ny fifidianana? Hararaotina vidina ny safidin’ny olom-pirenena noho ny fahatsorany sy ny tsy fahalalany ary ny fahantrany. Ireo mba manana hazon-damosina indray hampihorohoroana ary hamoronana «dossiers» tsy marina, dia gadraina. Lainga sy fitaka arahina fampanantenana poak’aty no andraisan’ny olona ny ataon’ny mpanao pôlitika: very ny fifampitokisana.

Ny harem-pirenena moa dia toy ny tantely afa-drakotra ifambaboan’izao adala sy hendry rehetra izao. Ary dia iniana tsy havaozina ny Lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany («code minier») hitrohan’ny olom-bitsy azy. Satria ny vola no ataony andriamanitra. Tsy mampaninona azy ny mivarotra tanindrazana.

Manampy trotraka ireo karazan’aretina miseho amin’ny endrika maro samihafa (areti-maso, aretim-pivalanana…). Ny saram-pitsaboana dia tsy takatry mahantra intsony, hany ka lasa mamonjy izao karazam-pitsaboana tsy fantam-piaviana rehetra izao, toy ny ody gasy na ireo milaza ho mpahita mahay manasitrana. Ireo no mahatonga ny olona hirohotra any amin’ireo antokom-pivavahana milaza fa mahay fahagagana, tsy voafehin’ny Lalàna intsony.

Lazaina hoe tany tan-dalàna isika. Nefa mirongatra etsy sy eroa ny tsy fandriam-pahalemana sy ny tsy fahamarinana. Maro amin’ireo natao hiaro ny zo sy ny aina ary ny fananam-bahoaka, sy ireo mpampihatra Lalàna, no lasa miray hina amin’ny «tambazotran’ny mpanao ratsy». Vokany: mihanaka ny fitsaram-bahoaka, miparitaka ny basy mahery vaika. Tsy hita intsony ny fahefam-panjakana («Absence de l’Etat»), dia mamorona «Dina» ny olona hiarovany ny tenany sy ny fananany. Tsy misy intsony ny fifampitokisana eo amin’ny vahoaka sy ny mpampihatra Lalàna.

2- NY AHIAHY TSY IHAVANANA

Mifantoka amin’ny fampihavanam-pirenena sy resaka fanarenam-pirenena ny saintsika mianakavy ankehitriny. Maro amintsika no taitra tamin’ny taratasy indroa miantoana nataon’ny Fivondronamben’ny Eveka: tsy nisy fanoherana ny fanaovana ny Dinika ho an’ny Fampihavanam-pirenena izy ireny. Ny voalohany moa dia ny tondran-drano sy voina nahazo ny olona no antony nangatahana fanemorana, ny faharoa kosa dia fangataham-panazavana ihany. Mety misy koa ny nametram-panontaniana amin’ny fahavitsian’ireo katolika nandray anjara tamin’ireny dinika ireny. Noho izany raisanay ho adidy ny manazava hevitra sasantsasany.

Fa inona tokoa ny EglizyKatôlika? «Ny Eglizy vatan’i Kristy dia fiombonana, sakramenta izany hoe famantarana sy fitaovana mampiombona amin’Andriamanitra sy mampifandray ny olombelona samy olombelona». Ny Eveka sy ny Pretra no nanankinana ny fampiombonana ny olona rehetra ao amin’ny Eokaristia. Ary noho io antony io no angatahin’ny Eglizy Katôlika azy ireo tsy hirotsaka mivantana amin’ny rafitra pôlitika toy ny antoko pôlitika na sendika na rafitra toy izany. (Jereo Lumen Gentiumn°1 sy 8).Tsy miolonolona anefa ny Eglizy fa mizara ny hafaliana sy ny tebitebin’ny olombelona: «Ny hafalina sy fanantenana, ny fahoriana sy ny ahiahy manjo ny olombelona amin’izao fotoana izao, manjo indrindra ireo mahantra sy mijaly dia hafaliana sy fanantenan’ny mpianatr’i Kristy» (Gaudium et Spes n°1, §1). Noho izany adidin’ny Eglizy ny mampianatra sy mikolokolo ary maniraka. Andraikitra ankinina aminy ny fiahiana ny maha-olona feno ny isam-batan’olona sy ny olona manontolo ary ny olona rehetra ao anatin’ny fihavanana sy ny fiadanana marina.

Koa adidy masina ho an’ny Eglizy ny mampihavana ary nametraka azy ho sakramenta aza. Izao no izy: ny fanaovana pôlitika dia fanasoavana sy fanompoana ny olona manontolo sy ny olona rehetra fa tsy fitadiavana tombotsoa ho an’ny tena na ho an’ny saranga na antoko na foko. Fantatra fa tsy mora ary mety hihatra aman’aina aza, araky hafatry ny Papa Paoly VI, nohamafisin’i Papa Fransoa, ny mirotsaka amin’ny raharaha politika satria tsy anjaran’ny Eglizy mivantana izany, nefa tsy azony atao koa ny mitazam-potsiny, na mihalangalana satria ny politika no faratampony amin’ny fiainana ny fitiva-namana sy fanompoana ny vahoaka amin’ny fikatsahana ny soa iombonana. (Resaka tamin’ny CVX italiana, 30 aprily 2015). Aza gaga isika raha milaza mazava tsy ampihambahambana ny zavatra tsy mandeha amin’ny fiainam-bahoaka ny Eglizy.
Mijoroa ianareo lahika fa ny antso miantefa aminareo manokana dia hikatsaka ny Fanjakan’Andriamanitra amin’nyfizakana ny tany arakany nandaharan’Andriamanitra azy (jereo Lumen Gntiumn°31, Ad Gentesn°21), «Fa adidy tokony hirotsahan’ny kristianina kosa ny mampivoatra ny lafim-piainana ara-nofo. Anisam-bahoaka izy ka tokony hiara-misalahy amin’ny vahoaka sady tokony hikatsaka ny fahamarinana sahaza ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny toerana rehetra sy ny zavatra rehetra» (Jereo Apostolicam Actuositatem n°7§5).

Vita sonia iny ny dinika fampihavanam-pirenena teny Ivato. Midika ve anefa izany fa milamina daholo ny zavatra rehetra? Ny fampihavanana tena matotra dia tsy maintsy arahina teny marina sy mahitsy ho fitsinjovana ny soa ho an’ny vahoaka tsy ankanavaka mba hialana amin’ny kolom-piainan’ny tsy maty manota. Ao anatin’izany no tsy tokony hirotorotoana fa hahamàlina sy hieritreritra hiroso amin’ny fanarenam-pirenena hatrany ifotony sy amin’ny lafiny rehetra.

Ankoatr’izany, misy olom-pirenena voailika satria tsy mahalala ny zo sy adidiny eo anatrehan’ireo rafitra maro isan-karazany ifandraisany amin’ny Fanjakana, ka hararaotin’ireo antoko politika maro loatra, nefa raha ny marina ny olom-pirenena no antom-pisian’ireo rafitra ireo. Takin’ny fandalinana hatrany ifotony ny fanabeazana sy ny fitaizana ny maha-malagasy sy ny maha olom-pirenena mba hitondra antsika hametraka rafitra mifanentana amin’ny tontolom-piainan’ny malagasy ankehitriny ary hitondra amin’ny fampandrosoana maharitra sy tena izy.

3- NDEHA ARY ISIKA HIARA-MIENTANA

Ireo tontolom-piainana izorantsika ireo dia manazava bebe kokoa ny asa anirahana antsika sahady, amin’izao iandrasana ny Pantekôty izao. Tsy maintsy mandray andraikitra eo amin’ny fampiorenana mafy ny finoana sy ny fiainana azy, hahavita ny iraka miantefa amintsika, ka anisan’izany ireto atri-piainana vitsivitsy ireto.

Iraka voalohany: ho fampiharana ny hafatry ny Papa ao amin’ny “Africae Munus” mikasika ny fandriam-pahalemana sy ny fampihavanana, dia nanapan-kevitra ny Fivondronam-ben’ny Eveka eran’ny Afrika sy ny Ranomasim-be Indianina ("Symposium des Conférences Episcopales d’Afrique et de Madagascar" - SCEAM) fa taonan’ny Fampihavanana manomboka amin’ny Jolay 2015 ka hatramin’ny Jolay 2016, izay Jobily ankalazana ny faha-50 taona nijoroan’ny SCEAM. Mifanindran-dalana amin’ny Fankalazana ny Taona Masina ankalazana ny Famindrampon’Andriamanitra. Miantso antsika hanao vavaka mitohy sy hanao asa maneho ny fampihavanana sy ny famindrampon’Andriamanitra nasaina hiainantsika. Ary hisy torolàlana mikasika ireo fankalazana ireo.

Iraka faharoa: Mila fitaizana hatrany ifotony ny olom-pirenena sy ny zanaky ny Eglizy. Dingana lehibe no efa izorantsika, toy ny Fihaonam-ben’ny Tanora (JMJ). Efa niainana hatramin’ny sampankazo ny fanentanana nataon’ny Papa Ray Masina, Fransoa, iainana ny Andro maneran-tanin’ny tanora amin’ity taona 2015 ity, izay efa nampitain’i Jesoa ao amin’ny “Hasambarana valo”, Mt. 5; indrindra ny andininyfaha-8 hoe: “Sambatra ny madio fo fa hahita an’Andriamanitra izy”. Foto-kevitra mbola hohalalinina mandritra ny JMJ Mada 8 io, ary hatao vavaka sy hifampizarana, ka hanorenana vina matanjaka ho an’ny fiainan’ny tanora rahampitso. Hampitain’ny eveka mazava kokoa isaky ny diosezy ny lamina faramparany, satria tsy fiainan’ny tanora irery ny JMJ fa fanirahan’ny Eglizy tanterahin’ny tanora, ka ny Eglizy aty Madagasikara no indray mifanome tanana.

Iraka fahatelo: Fandalinam-pinoana mifototra ao amin’ny Soratra Masina, sy foto-pampianarana momba ny fiaraha-monina sy ny fiarovana ny tontolo iainana hifampizarantsika, satria tsy ampy ny mahalany tsianjery izay voalaza, fa finoana arahin’asa. Anisan’ny tafiditra ho prôgrama goavana rahateo koa ny fanofanana ny lahika mandray andraikitra.

Iraka fahefatra: “Ny hazo no vanon-ko lakana, ny tany naniriany no tsara”, ka ianareo Fianakaviana no Eglizy kely miantoka ny fahamasinana sy ny fahamarinan’ny fiaraha-monina. Ka raiso izay andraikitra manandrify anareo hikolokolo sy hanabe ny taranaka mba ho olombanona sy tena kristianina vontom-pinoana.

Iraka fahadimy: Taonan’ny “Fiainana voatokana” izao, ka ndeha isika eveka, pretra, relijiozy nanokatena hizara amin’ny teny sy ny asa ny hafalian’ny Vaovao Mahafaly mba ho feno fanantenana ny olon-drehetra mifanerasera amintsika.

Iraka fahenina: Ny fiatrehana ny fiainam-pirenena dia anisan’ny tsy maintsy ho tomorina akaiky koa, indrindra ny fifampitantanana amin’ny raharaha pôlitika. Andraikitra tsy azo ialàna izany, fa manana ny môraly mifanentana amin’izany isika izay efa voavisavisa ao amin’ny Fampianaran’ny Eglizy momba ny fiaraha-monina sy sosialy. Vitantsika boky io.

Iraka fahafito: Tsy lany olomanga isika fa ny olom-panjakana tompon’andraikitra tia ny Firenena no tena maha-ory antsika. Ny Hanorina sy hanandratra ny isam-batan’olona no tanjona ka mitodika aminareo vato nasondrotry ny tany izahay hirotsaka handray andraikitra amim-pahamarinana fa ny adidy tsy an’olon-dratsy.

Iraka fahavalo: ho anareo Olobe sy Ray aman-dreny ara-drazana: Ndeha hifanome Tanàna hanandratra avo ny hasin’ny Firenena ka hiaro azy sy ny harenany manontolo, tsy ho atakalo tsy amidy vola.

Iraka fahasivy: ho anareo tompon’andraikitry ny fanabeazana. Hivoaka atsy ho atsy ny prôgrama vaovaon’ny fampianarana amin’ny fanabeazana fototra. Antenaina fa nijery akaiky ny ho avin’ny maro an’isa, ka nametraka tanjona sy vina hampivelatra ny maha-olona sy ny olona manontolo. Esory ny fakan-tahaka be fotsiny hahazoana famatsiam-bola vetivety hampidi-kizo indray ny Firenena sy ny taranaka. Sao sodokany akanga tsara soratra fotsiny ka manary ny soatoavina mahaolona (Gen 1, 27). Ny “firehan-kevitra miralenta” («théorie du genre») dia manapotika ny maha-olona voajanahary fa tsy fandrosoana velively ka mihevitra an’Andriamanitra ho manaonao foana.

Iraka fahafolo: Ireo rehetra ireo anefa dia mitaky fahasahian’ny Fanjakana foibe hirotsaka amin’ny tena fanapariaham-pahefana sy fitantanana mangarahara isam-paritany. Aoka hasiana finiavana politika sy fitiavan-tanindrazana matotra ny fitondrana an-kapobeny, fa manify dia manify ny fifampitokisana eo amin’ny mpitondra sy ny vahoaka ho fampandrosoana ny firenena. Tsy fanompoan-tanindrazana fa fanompoam-bola sy fikambanana no misongadina amin’ny endrika ankapobeny.

Enga anie ho toy ny vatana iray isika, hoy Masindahy Paoly (1Kor12,12-26), ka hataontsika vain-dohan-draharaha ny hahazoan’ny rantsana tsirairay ny sakafo ilainy na ara-batana na ara-tsaina na ara-panahy. Ankinintsika amin’i Masina Maria, mpiaro voalohany an’i Madagasikara, ny ezaka rehetra hataontsika ho fanarenana ny Firenentsika.

Mitso-drano anareo izahay Evekanareo.

Antananarivo, anio alarobia 13 mey 2015,

Fetin’i Masina Maria niseho tany Fatima, Portugal.

Mgr TSARAHAZANA Désiré, Arsevekan’i Toamasina, Filohan’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagascar

Mgr RAMAROSON Marc Benjamin, Arsevekan’Antsiranana, Filoha lefitra

Mgr RANAIVOMANANA Philippe, Evekan’Antsirabe, Sekretera Jeneraly

Mgr RAZANAKOLONA Odon Marie Arsène, Arsevekan’Antananarivo

Mgr RABEONY Fulgence, Arsevekan’i Toliary

Mgr RABEMAHAFALY Filgence, Arsevekan’i Fianarantsoa,

Mgr Georges VARKEY, Evekan’i Port-Bergé

Mgr ROSARIO Saro Vella, Evekan’Ambanja

Mgr RAKOTONDRAJAO Roger Victor, Evekan’i Mahajanga

Mgr RAOELISON Jean de Dieu, Evekan’Ambatondrazaka

Mgr DI PIERRO Gaetano, Evekan’i Moramanga

Mgr RANDRIAMAMONJY Marcellin, Evekan’i Fenoarivo Atsinanana

Mgr BOMBIN ESPINO Gustave, Evekan’i Tsiroanomandidy

Mgr RANDRIANARISOA Jean Claude, Evekan’i Miarinarivo

Mgr RAKOTONARIVO Fidelis, Evekan’Ambositra

Mgr CAIRES DE NOBREGA José Alfredo, Evekan’i Mananjary, Administrateur Apostolique-n’i Farafangana

Mgr RAZAKARIVONY Fulgence, Evekan’Ihosy

Mgr RAKOTOZAFY Vincent, Evekan’i Tolagnaro

Mgr ROBASZKIEWICZ Zygmunt, Evekan’i Morombe

Mgr RAHARILAMBONIAINA Marie Fabien, Evekan’i Morondava

Mgr MALO Michel, Evêque Emérite d’Antsiranana

Mgr RANDRIAMBOLOLONA Philibert, Archevêque Emérite de Fianarantsoa

Mgr RAZAKARIVONY Raymond, Evêque Emérite de Miarinarivo

Mgr SCOPELLITI Antoine, Evêque Emérite d’Ambatondrazaka

Mgr ZEVACO Pierre, Evêque Emérite de Tolagnaro

Mgr PELLETIER Donald, Evêque Emérite de Morondava

Mgr TOASY Armand, Evêque Emérite de Port-Berger

Mis à jour ( Lundi, 22 Mai 2017 07:38 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Pour lutter contre Lucifer, restons dans la Lumière

 

Naivo Rahamefy: Un réalisateur pionnier de la TVM s’est envolé pour toujours

 

 

Madagascar filière vanille durable: 4 millions de dollars de l’USDOL via le BIT

 

Madagascar très lugubre. Rapport 2016/2017 d’Amnesty International

 

Madagascar. Actions Sans Frontières et les 54 ans de l’Union Africaine

 

Olivier Mahafaly. Niaiky fa misy tomponandraikim-panjakana ao anatin’ny tambazotran’ny asa ratsy

 

Jeannot Ramambazafy: Compte Twitter

 

Frantsa. Iza moa i Brigitte vadin’ny Filoha Emmanuel Macron?

 

Toliara formation professionnelle: Un Arc-en-ciel exceptionnel pour une maman active

 

Hery Rajaonarimampianina. Dokam-barotra lavitra ny zava-misy tokoa e!