]
Les quotidiens du 18 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Vovonana Mampiray ny Vahoaka Malagasy: «Aiza ny fahefam-panjakana?»

Vovonana Mampiray ny Vahoaka Malagasy: «Aiza ny fahefam-panjakana?»

FANAMBARANA

Manoloana ny fiakaran’ny vidin-javatra sy ny mety ho fiakaran’ny saran-dalana dia nivory ny mpikambana amin’ny Birao maharitry ny « Vovonana Mampiray ny vahoaka malagasy ny fanorenana sy ny fanarenana ny an’i Madagasikara » ary mitondra izao vaha olana manaraka izao mba hisorohana ny fipoahana ara-tsosialy goavana eto amin’ny firenena.

NY ZAVA-MISY

Raha jerena amin’ny maso tsy miangatra dia midangana ny isan’ireo tsy an’asa ka zara raha misakafo ny malagasy maro an’isa amin’izao fotoana. Manampy trotraka izany ny tsy ho fahampian’ny vokatra manoloana ny fahataran’ny orana sy ny tondra-drano tany atsimon’ny Nosy. Midangana sahady ny vidin’ireo sakafo tena ilain’ny mponina an-davanandro. Manao ny danin’ny kibony ireo mpanararaotra. Velom-panontaniana ny vahoaka manao hoe: « Aiza ny fahefam-panjakana ? »

Raha ny fahatahorana ny fitondram-panjakana ny fitokonan’ireo ‘’ fiara mpitatitra olona ’’ no tsy maintsy hanampiana ara-bola azy ireo araka ny fifanarahana tamin’ny roa tonta dia azo heverina fa endriky ny tsy fahaizana mitantana ny raharaham-pirenena izany satria tokony hisitraka izany fanampiana izany ihany koa ireo fiara lehibe mpitatitra vokatra samihafa izay hitarika ny fihenan’ny vidim-piainana amin’ny ankapobeny. Inona no vaha olana?

Mampakam-peo ireo mpandraharaha matihanina amin’ny asa famatsiana vary, siramamy,… fa “anjakan’ny vahiny toy ny sinoa sy ny karana ary ny olona ambony ao amin’ny fanjakana ny sehatra”. Mahazo vahana ny sehatra tsy manara-penitra (secteur informel).

Efa tonga any Toliara ny vary 40 000 taona izay nafarana. Handrasana amin’ity herinandro ity ny 30 000 taona ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina. Araka ny fantatra dia vola vahiny avy amin’ny kitapom-bolam-panjakana avokoa no nampiasan’ireo mpandraharaha nanatanterahana ny fanafarana vary. Hisy fiantraikany amin’ny fahamarinan-toeran’ny ariary izany satria mitarika ny fihenan’ny tahirim-bola vahiny, izay hahatonga ny fitotongan’ny vola ariary eo anatrehan’ny vola vahiny.

Tamin’ny volana novambra sy desambra dia manodidina ny 54 dolara ny barila iray teo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Tsy mitsahatra miakatra ny vidin’ny solika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Tena iankinan’ny fiainam-pirenena ny vidin’ny solika. Amin’izao fotoana dia 3 150 ariary ny “gasoil” iray litatra. Mipetraka ny fanontaniana manao hoe: “afaka roa na telo volana rehefa lany ny tahiry ka tonga ny solika vaovao nafarana dia inona no hitranga”? Raha hampiarina amin’izay fotoana izay ny vidin’ny solika eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena dia tsy isalasalana ny milaza fa hitarika ny fiakaran’ny vidin’entana.

FAMERANA NY VIDIM-BARY SY NY VIDIN’NY GASOIL

Amin’izao fahantrana lalina mianjady amin’ny vahoaka izao dia rariny sy hitsiny raha iaraha-mitady ny vaha olana maika sy ny fandresehan-dahatra ireo mpamatsy na ireo « mpampitrosa » vola vahiny an’i Madagasikara amin’ny tokony ahazoan’ny fitondrana mametraka ny « fahefam-panjakana » na dia nisafidy ny “libéralisme économique” aza isika amin’ny fampiharana ireo fepetra mahomby indrindra izay tafiditra amin’ny hamehana na « mesure exceptionnelle et d’urgence ».

Toy izao manaraka izao ireo vaha-olana atolotry ny Vovonana Mampiray :

- Ny fitazomana ny vidin’ny gasoil iray litatra eo amin’ny 3 000 ariary ary ny mameno ny banga amin’ny alalan’ny fanampiana ara-bola na ‘’subvention’’ ny mpandraharahan'ny solika ny fanjakana ao anatin’ny enim-bolana. Ny « fitazomana ny vidin’ny gasoil » no mahamarin-toerana ny tsena anatiny. Ao anatin’izay enim-bolana izay dia ho hita eo ny mety ho firotsaky ny orana sy ny ahazoan’ny tantsaha mamboly ary mampakatra ny vokatra. Ny fanontaniana mipetraka dia manao hoe : « amin’ny fomba ahoana no ahitan’ny fanjakana vola hanaovana izany kanefa ny volabe hanampiana ireo « vahiny tera-tany goavabe » mampiasa ny milina mamokatra herin’aratra ho an’ny JIRAMA aza efa tsy hita ny hanaovana azy ?

- Tsy misy tombo sy ala ny tombontsoa azon’ny mpitatitra amin’izay. Hiteraka ny fidinan’ny vidin-javatra eny an-tsena sy fitazomana ny saran’ny saran-dalana manerana ny Nosy. Mihena ny fahatapahan’ny jiro (délestage) isan’andro. Afaka miasa ireo orin’asa sy mpanao asa tanana mila jiro, … Hisy fiatraikany amin’ny sosialim-bahoaka izany.

- Famerana ny vidin’ny vary farany ambony manerana an’i Madagasikara.

- Hatsangana ny “brigade mixte” hanara-maso faran’izay hentitra ny fitsinjarana ny entana sy ny vidin’entana ary ireo tsy manaram-penitra. Marihana fa raha vao goragora ny fanaraha-maso ireo vary nafarana izay hatobaka eo amin’ny tsena dia tsy maintsy misy ireo zatra manararaotra hanangona ireny vary ireny na hanafangaro azy amin’ny vary hafa dia handefa izany amin’ny faritra hafa ary hapakatra ny vidiny.

FOMBA AHITANA VOLA

Mitaky ny fanovana ny toe-tsaina ny fitantanana ny raharaham-panjakana. Deraina manokana ny ezaka nataon’ny Minisiteran’ny vola sy ny teti-bolam-panjakana satria taorian’ny fanaraha-maso hentitra ny tena isan’ny mpiasam-panjakana dia misy vola an-tapitrisany karaman’ireo “mpiasam-panjakana matotoa” mipetraka amin’ny fanjakana.

Azo hitarina amin’ny sehatra hafa izany ezaka izany ka raha tena tsara tantana ny harem-pirenena eo amin’ny sehatra rehetra mihitsy dia mora ny mahita fanampin’izany mba hitazomana ny vidin’ny gasoil ao anatin’ny enim-bolana sy ny vidim-bary ary ny fahamarian-toeran’ny ariary.

Tapa-bolana lasa izay, ny “Cercle de Réflexion pour l’Avenir de Madagascar” (CRAM) izay isan’ny Fikambanana mpanorina ny “Vovonana Mampiray” dia efa nanatsidika fanontaniana miisa telo manodidina ny “volamena” tamin’ny tompon’andraikitra manao hoe:

- Firy “tonnes marina ny tahirim-bolamena hananan’ny firenentsika?

- Firy “tonnes” isam-bolana ny lanjan’ny volamena azo amin’ireo toeram-pitrandrahana manerana an’i Madagasikara amin’izao fotoana izao?

- Firy “tonnes” ny tahirim-bolamena izay azo vinavinaina isam-paritra eto Madagasikara raha jerena amin’ny alalan’ny zana-bolana?

Raha fantatry ny mpiray tanindrazana amin’ny anaran’ny mangarahara ny lanjan’ny volamena, ny vatosoa voatrandraka, ny harena an-dranomasina isam-paritra sy ny vola miditra na tokony hiditra amin’ny kitapo-bolam-panjakana isam-bolana dia azo heverina fa voavaha ny olana ara-bola eto amin’ny firenena.

Azo hataon’ny fanjakana ihany koa no mihindram-bola hanafarana vary sy hitazomana ny vidin’ny gasoil toy ny natao tamin’ny fandraisana makotrokotroka ny fivorian’ny “Francophonie”. Nihindrana vola mitentina 30 tapitrisa dolara ny firenena Malagasy nanamboarana ny làlana. Ambakan’izany ve ny fiainam-bahoaka?

Ekena fa mbola mandoa “trosa lovan-jafy” ny firenena malagasy isan-taona kanefa aza adino fa raha hitan’ireo vahinyhanome ilay volabe 6 milliards de dollars fa manao ezaka ny fitondram-panjakana hiady marina amin’ny kolikoly avo lenta ary vonona hanova ny toe-tsaina sy hiavo-tena ny mpitondra sy ny vahoaka Malagasy sady resy lahatra fa handray an-tanana ny ho aviny amin’ny fanatrarana ny firindrana sy ny fisandratan’i Madagasikara dia tsy isalasalàna ny milaza fa hita ny vaha olana ara-bola ary ho lovan-jafy.

Tena laharam-pahamehana ny fanovana ny rafitra amin’ny fitantanana sy ny fanatsarana ny raharaham-panjakana amin’ny fametrahana ny E-gouvernance. Sarotra ny mitondra firenena raha tsy fantatra mazava ny isan’ny mponina. Ny tena nahavariana aza dia tsy fantatry ny Minisitry ny fiompiana akory ny isan’ny omby eto Madagasikara raha nanontanin’ny mpanao gazety izy. Mila fanarenana maika ny fitantanana ny firenena ka izany indrindra no hilazan’ny “Vovonana Mampiray” fa tsara ny firosoana amin’ny “Loabary an-dasy nasionaly ho fanarenana an’i Madagasikara” mba handinihan’ny mpiray tanindrazana miaraka ny vaha-olana maharitra ho an’ny firenena.

Miandry izay fepetra ho raisin’ny fitondram-panjakana isika vahoaka Malagasy fa raha tsy ampy ireo vaha olana norosonay ireo dia mbola tsy hitsahatra hatrany “Vovonana Mampiray” hitondra vaha olana hafa ho tombontsoa ambon’ny firenena.

MASINA NY TANINDRAZANA

ANDRIAMANITRA MIARO AN’I MADAGASIKARA

Natao teto Antananarivo, androany faha-08 febroary 2017

Amin’ny anaran’ny Birao maharitry ny “Vovonana Mampiray”

RAMAROSON Arlette

Filohan’ny Vovonana Mampiray

Mpitsara Iraisam-pirenena teo aloha

Mis à jour ( Jeudi, 09 Février 2017 04:43 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entra...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety