]
Les quotidiens du 28 Mar 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Sina. Ny toe-javatra mianjady eo amin’ireo mpianatra malagasy “boursiers” any

Sina. Ny toe-javatra mianjady eo amin’ireo mpianatra malagasy “boursiers” any

Efi-trano fanaovana fanadinana any amina Oniversite any Sina any

Avy any amin’ireo mpianatra mandranto fianarana “boursiers” any Sina

Mijaly izahay aty ary mitaintaina lava izao satria efa ataon’ny Oniversite aty tsinontsinona ny maha mpianatra anay noho ireo saram-pianarana maro tsy voaloha ka ny “visa” hatrany no ataon-dry zareo herim-pamoretana anay, satria rehefa tsy voaloha izany saram-pianarana izany dia tsy hanao “renouvellement” ry zareo. Hanao kely famintinana ny toe-javatra mianjady aminay izahay eto.

Ny taona 2010-2011 no nanomboka ny fianaranay taty Sina, ary 273 eo ny mpianatra tavela rehefa niala an-dalàna ny 30% ny mpianatra nahazo vatsim-pianarana ho aty Sina, ary voalaza ao anatina “arrêt ministériel” sy “attestation de bourse” fa mahazo vola 485 euros isam-bolana ny mpianatra ho fivelomanana sy andoavana ireo saram-pianarana sy kojakoja entina mandrantro fianarana aty an-tany lavitra aty. Marihina fa ny taona 2012-2013 dia niakatra ho 600 euros izy io.

Amin’izao fotoana izao dia miditra aminy faha-60 volana nirantovana fianarana izay amin’izao fotoana izao, ary maro no efa nahavita fa ny akamaroany aloha hatreto dia ny ankabetsahan’ny mpianatra nahavita fianarana, dia mitovy amin’ny mbola tsy nahavita ihany koa satria mbola bokan’ny trosa avokoa. Ny antony: amin’ireo 60 volana vita dia 20 volana ihany no mbola voaloha hatreto, izay mitsinjara toa izao isan-taona:

2011-2012 = 4 volana no voaray (Septambra , Oktobra , Novambra, Desambra 2011)

2012-2013 = 2 volana (Janoary, February 2012)

2013-2014 = 5 volana (Marsa, Aprily, May, Jona, Jolay 2012)

2014-2015 = 5 volana (Aogositra, Septembra, Oktobra, Novambra, Desambra 2012)

2015-2016 = 4 volana (Janoary, Febroary , Marsa, Avrily 2013)

2016-2017= ??? Tsy nisy

Noho izany, hatreto, dia 20 volana no voahefa ary mbola misy 40 volana kosa no tsy voaray (Jona 2013- Jolay 2018)

Araka ny “avis de crédit” nomen’ny ambasady malagasy eto an-toerana, dia ny Marsa sy ny Avrily 2013 izany no mbola voaray hatreto. Noho izany dia mbola misy telo taona mahery izany ny vola tsy voaray avy amin’ny fanjakana sy ny ambasady, satria mazàna dia ny ambasady no mizara izany araka izay tian-dry zareo tompon’andraikitra ao amin’io masoivoho malagasy eto Sina io. Satria araka ny fantatra dia raha misy vola tonga ao amin’ny ambasady dia tsy ny vola rehetra voarain-dry zareo no zarainy amin’ny mpianatra fa ny ampahany ihany, ary mazàna dia izay tiany omena ihany no omen-dry zareo. Raha raisina fotsiny ny taona 2013 teo, dia efa ady lava vao azo ny roa volana sy ny ambiny izany efa tao amin’io masoivoho io tamin’izany, ary tsapanay fa mbola mitohy hatrany izany amin’izao fotoana izao satria misy vola ao kanefa tsy zarain-dry zareo amin ny mpianatra .

1-Ka noho izany dia manao izao antso avo izao izahay mpianatra mandrato fianarana aty Sina mba mangataka ireo tompon’andraikitra mba hanara-maso akaiky ny momba izany fandesana volan’ny mpianatra aty Sina izany, ary mba tsy handefa izany ho potipotehina araka izay itiavan-dry zareo azy fa mijaly izahay amin’ izany fomba fiasa izany.

2-Raha azo atao aza dia mba mila ireo porofo taratasy izay amin’izany fandefasana sy fizarana izany vola izany izahay satria na ny “taux consulaire’’ aza dia tsy mazava aminay mihitsy. Kanefa dia zonay tanteraka sy feno ny mitaky izany satria vola tokony entinay miatrika ny fiainana sy ny fianaranay aty izany ary vola tsy nangalarina akory ireo ka afenimpenina ny momba azy.

3-Satria zonay sy adidin’ny fitondrana izany vatsim-pianaranay izany dia mba mila mangarahara kokoa izahay amin’ireo vatsim-pianaranay ireo fa tsy atao ampikorotanàna sy ampisy olana lava izao eo anivon Oniversite tsirairay avy.

4- Araka ny fanadiadiana natao tamina oniversite maro eto Sina dia mitovitovy ihany ny vola lan’ny mpianatra aminy taona iray satria ny “écolage” matetika dia manodidina ny 30 000 rmb ka hatramin 50 000 rmb eo (4286 Euros-7143 euros ) ny saram-pianarana amin’ny taona iray. Ary ny vola lany isan-taona amin’ny resaka hofa-trano dia manodidina ny 12 000 rmb (1714 euros). Ny mikasika ny fiainana sy boky ary ny fivezivezena miaraka amin’ny fiantohana sy ny visa dia 15 000 rmb (2143 Euros).

Mety hanaitra ny maro ireo tarehimarika ireo. Tsipihina anefa fa ny vidim-piainana (“coût de la vie”) aty dia tsy azo ampitovizina velively ny any an-tanindrazana any.

Izany hoe, mitotaly 11.000 euros isan-taona isaky ny mpianatra no tokony alohan’ny mpianatra isan-taona. Ary raha ny totalin’ny vatsim-pianarana tokony voaray anefa dia 485 x 12 = 5820 euros na 600 x 12= 7200 euros

5- Raha ny marina dia tsy mbola ampy akory aza ny vatsim-pianarana omen’ny fanjakana fa tsy maintsy alefa ary efaina ny trosa ary tsy maintsy omena ny Oniversite. Ka noho izany dia mangataka ireo tompon’andraikitra izahay, indrindra fa ny any Madagasikara, satria dia hiditra hianatra indray izao izahay afaka andro vitsy vitsy ary tsy afaka ny hanavao ny “visa” indray raha tsy mahaloa ny trosa amin’ireo Oniversite izay tsy manaiky intsony ny hizarazarana hatrany ny trosan-dry zareo ka dia miangavy an-tànan-droa re, Tompoko.

6- Manaitra ireo manampahefana voakasiky ny fandefasana sy ny fizarana izany vatsim-piaranay izany izahay, Tompoko.

Misaotra betsaka, Tompoko, naharitra namaky hatramin’ny farany.

Mis à jour ( Lundi, 22 Août 2016 07:40 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety

 

RATSIMANDRESY ANNA RAYMONDE (NANA). FISAORANA SY VIDEO