]
Les quotidiens du 19 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Soamahamanina. Hiaro ny Sinoa sy ny fanàny ny "OMC élargi" izany e

Soamahamanina. Hiaro ny Sinoa sy ny fanàny ny "OMC élargi" izany e

Loza ity! Rehefa tsy andrenesam-peo mihitsy ny fitondram-panjakana foibe mikasika ny raharaha ao Soamahamanina, dia ny « mpitandro filaminana » indray no manangam-bovoka ka dia manao fanambarana tena hamao-doza tanteraka. Satria dia ny samy Malagasy indray no hiady. Vakio tsara ity manaraka ity dia visavisao hoe iza sy inona marina no tena ho arovan’ity "OMC élargi" (OMC mira "Organisme Mixte de Conception") ao Miarinarivo ity? Dia "élargi" (mihitatra) amin'ny ahoana?


Ny mahavariana dia tsy misy ireny hoe « en-tête » ofisialy, tsy misy fitombo-kasem’panjakana, tsy misy daty fa dia toa irony milisy ireny no nanapakevitra. Mazava fa mahazo vola avy any amin’ireo Sinoa ireo ny nanao sonia. Sa tena ny fitondrana foibe mihitsy no nanome baiko? Iza marina ny tena lehiben’ity "OMC élargi" ity? Zo fototra izany maneho hevitra izany fa tsy hoe any an-tany lavitr’andriana dia tsy hisy hahita sy hahalala izao fomba mamoehatra izao.


Mbola tsy maintsy hanao fangatahina iaina eo amin'ny tanindrazany koa izany ireto vahoaka tsy misy mpiahy ireto atsy ho atsy?

Raha jerena ny eo amin'ny lafin'ny lalàna ("décret 86-056") dia ny "Chef de région" izany no lehibeny any an-toerana ary nanao sonia tokoa.


Tena ny fanànan'ireto Sinoa hafa hafa ireto no tena arovany mafy

Manaraka, efa fomban’ity fitondrana ity mihitsy ny manendry olona hanatanteraka ny hevi-dratsiny amarotana ny firenena iray manontolo. Raha mikasika io raharaha Soamahamanina io ihany dia ingahy Ratsimbazafy David Andriantenaina no nasaina nanao sonia ilay fahazoan-dàlana hitrandraka.


Fa taiza eto an-tany ary oviana no nisy tale vonjimaika ("par intérim") mahazo fahafahana manao sonia taratasy mahakasika ny ho avin’ny firenena iray manontolo?

F'iza tokoa moa ity Ratsimbazafy David Andriantenaina ity?


Fanamariana: tsy milamina angaha ny sain'ingahy io ka ireo ambony ireo dia nesoriny tao aminy LinkedIn ao aminy Internet. Tsy fantany mantsy fa na manao izany aza izy dia hijanona ao amin'ny "google images" foana io sariny io. Tsiahivina fa tsy azo afangaro amin'i Ratsimbazafy David miasa ao aminy Orange Madagascar ity iraky ny fitondrana mpivarotra tanindrazana ity

Ny 27 avrily 2010 dia nosamborina sy nogadraina i Ratsimbazafy David Andriantenaina. Tamin'izany izy "chef du service de cadastre minier de Madagascar". Niaraka tamin-dry lieutenant-colonel Rajoelimanana Alain, lieutenant-colonel Jean César Andriamalala Ralamboarisoa, adjudant Rodolphe Randriampenomanana, sous-lieutenant tao amin'ny RM1 Tovohery Ramambason, Bezaka Henri Razafimanitra, tao amin'ny "Corps de protection civile" ary mpiambina akaiky ny filoha Marc Ravalomanana, Jean Maurice Rafidimalala, mpanao trano ary Ambroise Razanakoto, niasa tao Ambatovy. Voaeloka enim-boana an-tranomaizina izy rehetra ireo noho ireto fampiangana ireto: "détention illégale d'armes à feu, poursuites pour mutinerie".

Ny volana marsa 2014, dia nangataka "amnistie" ry Ratsimbazafy David Andriantenaina, Joseph Elire Rabemananjara (niara-niasa tamin'i Pierrot Rajaonarivelo), Rodolphe Andriampenomanana, Tovohery Ramambasoa, Manoela Ralaimampisainarinony sy ny Lieutenant-colonel Théodore Jaonary. Neken'ny Cour Suprême izany fangatahina izany.

Taona iray monja taorian'ny fahafahany dia notendren'ny filoha Rajaonarimampianina ho "directeur de l'administration et de gestion sur les industries extractives (DAGOIE)" io, Ratsimbazafy David Andriantenaina. Marihina fa eo ambanin'ny fiahian'ny filoham-pirenena io sampan'asa io. Dia tsy mazava ve fa raha nanao sonia ilay tsy ara-dalàna izy dia ny filoha no tena naniraka? Mbola hisy hiteny foana hoe: aiza ny porofo. Ny fiainana mbola hitohy, tompoko, ary tsy ho eo amin'io fitondrana io foana ingahy Hery Rajaonarimampianina ka Andriamanitra tsy andrianareo andrin'ireo vahoaka fadiranovana ireo.

Izao aloha dia manomboka efa simba ny ala tapia sy ny tontolo iainana iray manontolo. Mahafinaritra ô!?




Jeannot Ramambazafy – 29 Jona 2016

Mis à jour ( Jeudi, 30 Juin 2016 09:56 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety