]
Les quotidiens du 18 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Madagascar 26 Jona 2016. Andro fisaonana eo ambanin’ny fitondrana Rajaonarimampianina

Madagascar 26 Jona 2016. Andro fisaonana eo ambanin’ny fitondrana Rajaonarimampianina

*******************************************************

*****************************************************************

***************************************************

+ + + + + + + + + + + + + + + + + + +

Najoroko ianao androany ry Saina Malagasy hilazana fa mbola tsy vita ny tolom-panafahana anao ry Fireneko raha mbola misy ny Malagasy noana tsy misakafo, ny ankizy tsy mandeha mianatra, Malagasy tsy manan-trano, ny famarotana Tanindrazana, fivarotana harem-pirenena.

Miala tsiny amintsika rehetra aho fa tsy mahay miatsarahivelatsihy ka tsy hiarahaba anareo amin'izany fetin'ny fahaleovantena izany satria mbola tsy tonga amin'izany isika raha ny sakafo ho anintsika androany aza mbola vary « brisure » sy « stock tampon » omen'ireo lazaina fa mpamatsy vola avy any ivelany.

Firariantsoa no ataoko mba samy ho salama ka hijoro hamelona ny afom-pitiavana nisy tamin'ireo Ray aman-drenintsika ka namoizan'izy ireo ny ainy ka nisian'ny fahadiovam-po nampisy ny loko FOTSY ny Sainam-pirenena.

Nampiredareda ny fitiavan-tanindrazana MENA teo amin'izy ireo. Hitondra aina sy fitoniana toy ny ala ary manome fanantenana MAINTSO ho an'ny Malagasy rehetra.

Vitatsika io

 

**************************************

*********************************


*********************************
Nodimandry ny renin’i Claudine Razafindrazaka teraka Razaimamonjy, mpanolo-tsaina manokana ny filoha Hery Rajaonarimampianina ary zaobavin’ny Loholona Hvm Riana Andriamandavy VII.


*********************************

FAHATSIAROVANA IREO NAMOY NY AINY ETO

*************************************************************

ATTEINTE FLAGRANTE A LA LIBERTE D'OPINION ET DE PENSEE

Selon le président bien-aimé, Hery Rajaonarimampianina, ce projet de code de la communication médiatisée a été rédigé par les journalistes eux-mêmes. Nous sommes donc suicidaires alors. En effet, selon l'article 30, alinéa 3 de ce projet: « l'entrave au déroulement des fêtes nationales et l'incitation (suivi ou non d'effet) à s'abstenir d'y participer », est sanctionnée de 3 à 6 millions d'ariary d'amende.

Heureusement que ce n’est encore qu’un projet. Profitons-en. Mais ne vont-ils pas parler de rétroactivité ? En tout cas, c’est une atteinte flagrante à la liberté d'opinion et de pensée indigne d'une nation qui se dit démocratique.

***************************

Léopold Sédar Senghor, premier président du Sénégal, chantre de la négritude

Justine Tsiranana, teraka Kalitody, "Première Dame" voalohany teto Madagasikara, nanàna ny tena naha izy azy...


62 taona aho izao ary be ihany ireo 26 Jona natrehiko fa mbola tsy nisy toa ity taona 2016 ity teto Antananarivo.

Nanambara mantsy ingahy Jeneraly Florens Rakotomahanina fa hisy hanakorontana, hono, ary efa manana anarana, arak’ireo « renseignements » azony. Tsy vaovao io fanambarana io, nanomboa tamin’ireo mpiray tanindrazana avy any Atsimo mila ravinahitra isan-taona ka nolazainy fa niakatra teto Antananarivo hanakorontana. Tao koa ny hoe asabotsy mainty, sns.

Tamin’ity fitondrana Rajaonarimampianina ity koa no nisy fangatahana hametraka voninankazo ny 29 Mars 2016 ary sahiny mihitsy ny nandefa baomba mandatsaka ranomaso sy vovoka manempotra, ka ankizy milalao eny an-tokontany no nanjary nisedra izany. Inona nefa moa ny 26 Jona raha tsy ny fankalazana ny fiverenana ny Fahaleovantenan’i Madagasikara?

Aiza io izao, nefa "fahafahana" noresahina?

Fa amin’ity dia fanagejana no hiseho. Satria, manomboka ny 25 Jona amin’ny efatra tolakandro dia rarana ny fivezivezen’ny fiara sy motos manodinina ny farihin’Anosy. Ny araben’ny fahaleovantena moa dia tsy ho azo alehan’ny fiara ihany koa manomboka ny 15 Jona. Voafetra izany ny faritra azo handehan’ny vahoaka. Fahafahana ve izany?

Izao indray dia tadiavina hatao kenda roroka ny mpanao gazety malagasy amina « projet de code de la communication médiatisée» tena mamono tanteraka ny demokrasia izay mipetraka eo amin’ny fahazoana maneho hevitra ankalalahana ary koa arovan’ny Lalampanorenana. Nifaneken'ny rehetra fa hoesorina ny andininy faha-20 mikasika ny "cybercriminalité". F'inona no teo? Navela tao ary nohamafisina ny sazy ara-bola raha toa ka hoe tsy misy mpanao gazety azo gadraina intsony. Tsarovy ry mpiray tanindrazana fa tsy ny mpanao gazety irery ihany no ho tampenam-bava amin'io andininy faha-20 io!

Tsy raharahiny daholo izany fa izy ireo aloha no eo amin’ny fitondrana ary mihevitra ho eo mandrakizay. Noho ireo rehetra ireo dia nanapakevitra aho fa andro fisaonana io 26 Jona 2016 io. Satria :

Tany tan-dalàna ? Nanjavona

Demokrasia ? Very tsy hita popoka

Zon’olombelona ? Voahitsaka tanteraka

Ny fisarahan’ny fahefana ? Tsy misy fa mifangaro daholo

Ny fanajana ny Lalampanorenana sy ny teny nomena? Toa tantara sy arira sisa


Aleho isika miaraka amin’ireo tononkiran’i Rado sy ny hafa amin’ity fa izay hitranga etsy Mahamasina no tsy fantatra… Mandrapa-hiverenan’ireo ary mivavaka amin’Andriamanitra tsy ho ela intsony fa maty ny Firenena Malagasy. Ary tsy sangisangy ratsy izy ity fa miatra aman’aina.

Mijoro izay sahy hilaza, ianareo sarambabem-bahoaka, fa mety izao fiainana eto Madagasikara izao, 56 taona taorian’ny fiverenan’izany « fahaleovantena » izany. Vakio sy henoy tsara ny asa soratr’i Rado… Isaorana manokana eto i Vahömbey namelona ny mikasika ny Fahafahana.

Demokrasia, eny! Fitsarana tsy mitanila, eny! Fahafahana, eny! Fiainana, eny!

Misy ny tomponandraikitra amin’izany fivarinana any aminy jadon’ny mpanjanahantany izany. Andriamanitra tsy andrin’izy ireo andrasan-tsika foana. Misy farany ny zava-drehetra eto ambany masoandro.

Jeannot Ramambazafy – 16 Jona 2016

*********************

******************************

FAHAFAHANA

Raha sendra ianao ka tomany
Noho ny olana eto an-tany,
Dia misy kalokalo mamy
Azo asetry an’izany,
Koa mitsikia hatrany.

Ny teny, hono dia manan-danja,
Indrindra raha voalanjalanja ;
Nefa koa izy dia voafetra,
Satria mandalo tsy mitoetra.
Koa ndeha re soraty ho voarakitra ao anaty.

Ny atao hoe : FAHAFAHANA
Dia ny miaina an-kalalahana
Eo amin’ny toerana mamin’ny fo
Toa an’Iarivo ilay fonenan-tsoa.

Mivadibadika, hono, ny fiainana
Miovaova koa ny fisainana,
Fa ny tena soa indrindra
Dia ny fiainana mirindra.

Rado

Araben'ny Fahaleovantena, Antananarivo. Dia ho aiza daholo ireo fiara ireo izao? (15-27 Jona 2016)


NY FAHALEOVANTENA

Ny Fahaleovantena dia tsy natao mihitsy
hoenti-kahasambatra fiainan’olom-bitsy.
Fa Fahaleovantena tsy manam-piangarana
hampigoka mamy ny isam-baravarana

Ny Fahaleovantena : tsy trosa tsy miato
iandrandrana vola avy any Dilambato
Fa ezaky ny tena mitohy tsy mety lanaka
tsy haharaiki-trosa ny hoavin’ny taranaka

Ny Fahaleovantena : tsy fanomezan-dasy
ny tenin’ny vahiny hasolo Teny Gasy
Fa Fahaleovantena derain’ilay mitazana
hanandratra ambony ilay Fitenin-drazana

Ny Fahaleovantena : tsy haitraitran-javona
ka iambonian-tenarakofana avonavona
Fa fanetrena tena hitovy amin’ny hafa
Miaraka misaina, miaraka mitafa

Ny Fahaleovantena : tsy endrika sodokan’
ny fiheverantena ho mahavita tokana
Fa hevitry ny maro mitapatapak’ahitra
ny hoavim-pirenena hitera-boninahitra

Ny Fahaleovantena : tsy fanomezam-bahana
ny hevitra-vahiny hanjaka an-kalalahana
Fa Fahaleovantena mivimbina hamiratana
hanaja ny an’ny tena ho any avara-patana

Ny Fahaleovantena : tsy fitadiavan-tehaka
na horaka mandainga mba hampidehadehaka
Fa Fahaleovantena tsy andokafan-tena
fa fantatra eny ihany izay tia ny firenena

Ny Fahaleovantena : tsy hoe ianao mitsako,
fa ny vahoaka kosa mitrongy anaty fako
Fa Fahaleovantena ahitana toky
ka ny maroanisa no sambatra sy voky.

Ny Fahaleovantena : tsy vola fafy katrana
hividianan’olona ho sandam-pisandratana
Fa Fahaleovantena mitana fahamarinana
hitaiza ny vahoaka tsy ho any am-pivarinana

Ny Fahaleovantena : tsy laza vady bainga
am-pielezam-peo, kanefa tranon-dainga
Fa Fahaleovantena milaza ny ao an-tranony
tsy misy laingalainga na mila ranondranony

Izany ka izany no Fahaleovantena
niadian’ny razantsika sy namonoany tena,
nidirany tam-ponja, niaretan-tsesitany,
namoizany ny hareny, namoizany ny rany

Anefa raha tsy izany no Fahaleovantena
iainantsika etoana, fa toa fitiavan-tena
sahia ka mijoroa hiady ho an’ny marina
mandra-pahatratra ny tanjona hotratrarina.

Rado

L’INDEPENDANCE

L’Indépendance n’a pas du tout, pour raison d’être
D’assurer le bonheur seulement d’une poignée d’êtres;
Mais une Indépendance qui, sans prendre partie,
Entend à chaque porte, en faire goûter le fruit.

L’Indépendance n’est pas ces dettes et ces dettes,
Tous ces prêts extérieurs que toujours l’on guette;
Mais les incessants efforts qui, de notre côté,
Libèreront des notes les jours à venir de la postérité.

L’Indépendance n’est pas qu’on laisse s’installer,
à la place du Malgache, un parler étranger…
Mais une Indépendance qui nous vaudra l’éloge,
Si de nos pères, la langue est mise aux premières loges.

L’Indépendance n’est pas un brouillard trompe l’œil
un geste ostentatoire et tout vernis d’orgueil;
Mais bien modestement, à être comme autrui,
Pour réfléchir ensemble, discuter avec lui.

L’Indépendance n’est pas ce quelconque mirage
Qui fait croire en soi même le seul fort et sage;
Mais les opinions d’ensemble qui cherchent de concert
un lendemain de gloire pour la nation entière.

L’Indépendance n’est pas qu’on laisse libre cours
Aux idées extérieures pour régner au grand jour;
Mais une Indépendance qui engendre la joie
A hisser ses valeurs, à une place de choix.

L’Indépendance n’est pas : recherche d’ovations
Ni les hourras trompeurs qui rendent fanfarons;
Mais une Indépendance, écartant les vantards,
Et montrant tôt ou tard, les patriotes sans fards.

L’Indépendance n’est pas : que toi, tu manges,
Alors que la masse va fouiner dans les fanges;
Mais une Indépendance qui puisse assurer
Que chacun ait sa part et en soit rassasié.

L’Indépendance n’est pas cet argent à gogo
Pour l’achat de ceux qui te porteront bien haut;
Mais une Indépendance, soucieuse de justice,
et qui évite au peuple la voie des précipices.

L’Indépendance n’est pas ces listes de travaux
Qui inonde les ondes, bien que beaucoup soit faux;
Mais une Indépendance : Langage de vérité
Qui parle sans complaisance de la réalité.

C’est tout cela, en bref, l’Indépendance, ami !
Pour laquelle nos pères ont offert leur vie,
Enduré les prisons et l’exil de leurs temps,
Sacrifié leurs biens et fait dons de leur sang.

Mais si l’Indépendance est telle qu’on la voit,
Devenue quelque chose où l’égoïsme est roi…
Alors, sans crainte, lève-toi, défends la vérité
Jusqu’au triomphe final de l’objectif visé.

RADO 1991  
Traduction de Di (Henri RAHAINGOSON) – 1995

Ô LIBERTE !

Aie confiance, ô Liberté

SÅ“ur de la foi

Car jamais muette

ni absente

de mon cœur

tu ne seras.

Je te chérirai

Et te défendrai.

Tu seras mon héritage.

Et si on me prenait ma plume

de force,

qu’on l’interdise

et qu’on l’empêche

de t’écrire

entends ceci :

Mes lèvres

je les offre,

pour crier

et expliquer

et dire

partout

combien tu es chère

et ton nom béni…

Aussi aie confiance

Encore et toujours !

…Car même si on me menaçait, qu’on m’effrayait

que mes lèvres soient cousues

si elles parlent

de toi et qu’on l’entende !

je te le dis

seront encore là

se donneront à cœur joie

les ongles de ma main

droite

avec enthousiasme

gratteront

es murs en pisé

et les montagnes

les troncs d’arbre

et tout ce sur quoi

on pourra

apposer

ton nom, Ô Liberté.

 

MATOKIA NY FAHAFAHANA

 

Rahavavim-pivavahana

Fa tsy ho moana

na ho foana

ao anatiko ao

lanao.

Holalaiko

sy ho hajaiko

ka harovako ho lovako

fa raha ny peniko no alaina

an-tenin’aina

ka didiana

sy tsindriana

tsy hanoratra anao

d’henoy izao :

lo ny molotro

Atolotra

hivazavaza

sy hanazava

ka hiteny

ombieny ombieny

ny hasaro-bidinao

sy ny anara-masinao…

ka matokia

doria doria !

 

…fa na rahonana aho, na tairina

ka ny malotro hozairina

raha miteny

anao ka reny !

Lazaiko anao

fa mbola ao

hanaram-po

tokoa tokoa

ny hohon-tànako

an-kavanako

hivikiviky

ka hikiky

rindrin-tany

sy handrin-tany

vatan-kazo

sy izay azo

ametahana

Ny anaranao, ry fahafahana.

Ry Fahafahana

 

Georges ANDRIAMANANTENA (RADO)

TRADUCTION :

François-Xavier RAZAFIMAHATRATRA


TAONA 2016: NANJAVONA IZANY ETO MADAGASIKARA. MBOLA MISAONA NY FIRENENA



Mis à jour ( Lundi, 27 Juin 2016 17:28 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety