MADAGATE MIARAHABA ANAREO NAHATRATRA NY TAOM-BAOVAO 2024

Lundi, 01 Janvier 2024 13:10 Newsflash
Imprimer

Alatsinainy faha-1 Janoary 2024, 00 : 30. Tratra ilay taom-baovao nandrasana nandritra ny 12 volana. Tao ny nandao antsika tsy afaka nisafidy f’izay ny lahatra ; tao ireo tonga teto an-tany tsy nangataka izany. 8 miliara mahery izao ny isan-tsika olombelona ao amin’ireo kontinanta miisa enina (6) dia :

Afrique : misy firenena 54 ka anisay ny Nosintsika Madagasikara

Asie : misy firenena 48

Europe : misy firenena 44

Amérique latine sy Caraïbes : misy firenena 33

Océanie : misy firenena 14

Amérique du Nord : misy firenena 2 dia Canada sy Etats-Unis.

Ka inona moa izay olom-bitsy miana-kendry eo anatrehin’izany amaroana izany ?

Izaho manokana aloha, raha ny taona 1954 nahaterahako no raisina, dia feno 70 taona androany aho. Efa zokiolona tokoa leiretsy a ! Efa nahita sy niaina zavatra tranga maro maneran-tany. Ary mbola hitohy raha sitrak’Andriamanitra.

Ny any torohevitro raha te-hateza ?

Toa ranomanitra feno fihetseham-po io fiainana io, koa maninona no simbaina sy lotoina amina atezerana sy alahelo ?

Mitsikia, mihomeheza ary foano eo amin’ny fiainanao ireo rehetra izay hanamaloka ny endrikao ka hamono izany fitsikinao sy tsikinao izay.

Ataovy manodidina ny fiainanao mandavan-taona ny rehetra (na olona na ny tontolo iainanao) ampibalika ny tsikinao sy hampihitra ny fanahinao. Izay no atao dia ho tanora lalan-dava ianao.

Fa afaka tezitra kosa ianao fa fadio ny manota !

Dia arahabaina isika rehetra nahatratra ny taona 2024 e !

Jeannot RAMAMBAZAFY sy ny Ekipan'ny MADAGATE.ORG

Mis à jour ( Lundi, 01 Janvier 2024 13:26 )