Hiary Rapanoelina: mijoro ny mpikambana tao amin’ny AVM

Mercredi, 15 Mars 2017 02:41 Newsflash
Imprimer

Na dia mbola tanora aza dia ray aman-dreny niteraka izy ireo ary manana ny maha izy azy eo anivon’ny fiaraha-monina. Tsy iza ireo fa ny mpikambana tao amin’ny AVM (Authentic Voices of Madagascar), tarika misy an’i Hiary Rapanoelina, ilay nomelohina higadra herintaona, sazy mihatra, satria noheverin’ireo mpitsara fa nanao heloka faotana mahafaty toa ny namono olona. Taorian’ny fanambaran’ny ambasady amerikana (eto) dia ity ny an’ireo mpikambana tao amin’ny AVM:


Mpikambana tao amin’ny AVM. Mbola kely anaka toka nefa sahy mijoro. Ka asa, hanaovan’ny fitondrana Hvm fanadihadiana tsirairay dia ho gadraina satria mpiray tsikombakomba («complices») amin’i Hiary, na koa hamoronana «dossier» dia ho lazaina fa mikasa hanongam-panjakana tsotra izao? Ô rey olona a! Ho omby ve ny fonja mandra-pialan’ity fitondrana kanosa ity, izay tsy misy tranon-kenatra ka tsy mitsahatra mitondra alahelo eo anivon'ny fiaraha-monina malagasy iray manontolo mihitsy? An, Ahoana a? Rediredy? F'iza aloha ny filohan'ny mpitsara e ("Président du Conseil supérieur de la Magistrature")?

"Izahay mpikambana tao amin'ny AVM sy ireo rehetra akaiky anay, rehefa naka fotoana handinihina lalina tamin'ny fo sy saina tony dia manao izao fanambaràna izao ary manamafy fa:

Tsy mankasitraka ny didim-pitsarana izay nomena an'i Hiary Rapanoelina (herintaona an-tranomaizina sazy mihatra)ary tohina tokoa amin'ny zava-misy ankehitriny sy ireo antony niampangana sy nanenjehana azy (fakàna an-keriny zanak'olona: tsy mari-pototra sy tsy misy idirany velively) izay tsy ara-drariny tokoa araky ny fihevitray.

Mangataka izahay mba hamotsorana azy araky izay haingana indrindra fa efa sazy mihoatra ny tokony ho izy ny iray volana an-tranomaizina (MD)."

Ny mpikambana tao amin'ny AVM – 14 Marsa 2017

Mis à jour ( Mercredi, 15 Mars 2017 03:03 )