]
Les quotidiens du 19 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil Flash Infos Rajaonarimampianina mianakavy tany aminy Vatican

Rajaonarimampianina mianakavy tany aminy Vatican

Izao izany ny hoe « delegasiona ofisialy » nandaniana ny volam-bahoaka a ? Rajaonarimampianina mianakavy ireo, miampy ny minisitra Rivo Rakotovao, Filohan’ny antoko Hvm (fahatelo ankavia) sy Véronique Resaka, « chargée d’Affaires » malagasy ao amin’ny Masoivoho ao Parisy, any Frantsa (ankavanana indrindra)


Dia mbola fitaka indray no nataon’ny ao amin’ny fitondrana malagasy e ! Ny 26 Jona teo dia nalefa ny fampilazana ho an’ny mpanao gazety fa voaasa ara-pomba ofisialy ny Filoha Rajaonarimampianina hihaona amin’ny Papa Ray Masina François, any Vatican. Tampotampoka teo izany. Ka na dia nisy maty sy naratra aza teny Mahamasina, ny folak’andro, dia lasa ihany izy mianakavy, tsy nampilaza toa ny mpanao ratsy mitsaoka.

Tonga tany anefa izy rehetra, inona no teo ? Nambaran’ny Radio Vatican mazava fa fitsidiana manokana (« audience privée ») sy ara-pianakaviana (« familiale ») no nalehan’ilay Filoha malagasy tany, ny asabotsy maraina 28 Jona. Io sary io ambony io no porofo mivaingana tsy azo ivalozana ! Izany hoe tsy fitsidiana ara-pomba ofisialy na ilay hoe « visite d’Etat » akory. Raha ny marina izany dia tokony ny volany manokana no nandoavana ny saran’izy mianakavy nandehana tany Roma fa tsy ny volam-bahoaka mihitsy no nanaovana kàpoky ny tsy miala vola. Sady amin’izay efa mihaotra ny folo ny « delegasiona » nanaraka izy mivady.


Ny tao aminy Tvm moa dia natao toa tena fandraisana makotrokotroka ny fisehoan’ilay fitsidiana. Tena manozon-tena mihitsy anie ity Filoha vaovoa ity e ! Aiza ka : namely mafy ny rivo-doza Hellen tany avaratra tany. Lasa izy nandeha ho any Bruxelles. Noravana ny trano etsy Ankadimbahoaka, lasa ihany izy nandeha tany Israël. Tsy nisy teny fampiononana mitaratra ny maha-Malagasy avy any aminy mivantana mihitsy. Ary koa aminy maha ray aman-drenin'ny Malagasy tsy vaky volo azy.

Fa dia mihevitra mihitsy ve ity filoha vaovao ity, amin’izao andron’ny fifandraisana eo no eo izao fa ho takona ny tena zava-misy marina ataony ? Afa ny zavatra mivoaka ny vavany ary afa ny zavatra ataony. F’angaha dia laharam-pahamehana io fitsidiana ara-mpianakaviana ny Papa François io ? Samia miheritreritra lalina isika Malagasy rehetra fa ho ratsy ny tohin’ny tantara... Manao izay tiany atao ilay filoha vaovao satria voafidim-bahoaka. Ary na dia izaho manokana aza re fa dia tadiavina hanaovana antsojay. Satria matahotra ny marina ve e ? Tsotra ny teniko : aza manambàny tena amin’izany fa hahitsio dieny izao ny famindra. Zafy albert, Didier Ratsiraka, Marc Ravalomanana. Tsisy izay tsy mahalala ahy ireo Filoha ireo. Tsy nisy na iray aza nitady biby kely taty amiko satria ny marina marina ihany. I Didier Ratsiraka aza nanome baiko hamoahana ahy taminy izaho tratra sambo-belona tany Diego. Sa hanao fisamborana « vaovao » ianareo ao ambony ao satria anisan'ny "mpanatsatso" ny tenako ? Eo isika mahita azy, hoy i Jaojoby izay.

Jeannot Ramambazafy – 28 Jona 2014

Mis Ă  jour ( Mardi, 01 Juillet 2014 20:28 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety