Madagasikara: Manohana tanteraka ny MAPAR ny mpitolona any Frantsa

Mercredi, 26 Février 2014 16:17 Newsflash
Imprimer

FANAMBARANA

Izahay Delegasiona Naman’i Filoha mpitari-tolona, mamim-bahoaka Andry RAJOELINA aty Frantsa, izay nandray anjara feno tamin’ny fanohanana ny kandida Hery Vaovaon’i Madagasikara nandritra ny fampielezan-kevitra dia manao an’izao fanambaràna izao :

- Manoloana ny savorovoro politika nateraky ny fihetsiky ny mpitarika ny HVM sy ireo mpiara-dia aminy, dia maneho ny tsy fankasitrahanay ny fanilikilihana ny MAPAR izay angady nanànana sy vy nahitana izao fitondrana izao.

- Noho izany, manaraka an-kitsipo ny toromarika politika avy amin’ny Filoha mpitari-tolona Andry Rajoelina. Ary manohana tanteraka ireo Depiote MAPAR sy izay miara-dia aminy, ary koa mankasitraka ny fanoloran’ny MAPAR ho Praiministra an’i Haja André RESAMPA.

Antananarivo, faha 23 febroary 2014

Ireo mpikambana ao amin’ny Delegasiona:

Tinah RAVELOMANANTSOA

Organes RAKOTOVAO

David RAZANANTSOA

Michel RAMAHARAVO

Michel ANDRIANAIVO

Hilarion RASAMIMANANA

Picard LOUIS

Joseph RAKOTOVAO

Adrien RAKOTONIRINA

Dolatina RANDRIAMAHAFALY

Mis à jour ( Mercredi, 26 Février 2014 16:19 )