]
Les quotidiens du 23 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil Flash Infos Madagasikara, raharaha Jean Paul tao aminy radio Free Fm: mamaly ny Fanjakana

Madagasikara, raharaha Jean Paul tao aminy radio Free Fm: mamaly ny Fanjakana

Jean Paul Randrianiaina

Mazana tokoa ny fanambaran-dry zareo namana mpanao gazety ao amin’ilay fandaharana « Anao ny fitenenana » ao amin’ny radio Free Fm 104.2, nanizingizina ho re tany ho ren-danitra fa “ voatery nitsoaka sy miafina I Jean Paul Randrianiaina amin’izao fotoana izao. Tokony aka vola aty Antananarivo izy kanefa dia tsy afaka. Mampalehelo be ny vady aman-janany, ka dia anao levée de fonds isika hanampiana azy ireo. Tsy maninona na 500, na 5.000 na 1 millions”.

Ireo ara-bakiteny no re androany maraina asabotsy faha-25 febroary 2012, teo alohan'ny famerenana ny valan-dresaka farany nataon'i Big Max tamin'ny volana desambra 2011. Ary dia maro ihany ireo mpihaino lasa vivany… Nefa tao koa ny heno ny afatr'i Big Max mikasika ny "éthique journalistique", anisan'izany ny "recoupements", alohan'ny hamoahana vaovao. Ka asa...

Ren’ny tompon’andraikim-panjakana koa izany fanambarana toa tsy voaporofo mazava izany, fa mbola mipetraka amin’ilay hoe “famakafana mbola tsy diso mihitsy”, ka dia io ambany io ny valiny, tsy asiana resa-be eto. Eny na dia malalaka tokoa ny fitenenana eto Madagasikara amin’izao vaninandro izao, tsy araka ny aelin’ny sasany any amin’ny “kilomètres je m’en fous” any.

Jeannot Ramambazafy – 25 Febroary 2012

======================================

Alatsinainy 27 febroary 2012

Niditra mivantana tao aminy radio Free Fm i Jean Paul Randrianiaina

Tonga dia nanazava i Jean Paul fa filazana am-bava nataon'ny ministra Harry L. Rahajason no nahatonga azy niafina. Ity farany ity moa dia olon'ny fo tokoa ka tena disoko eto satria tsy naka fotoana na kely aza handinihina ilay mail fa toa voatery avy any ambony any. Araka ny filazana koa dia "any am-pitan-dranomasina" ny tenany izay niantso.

Fa tsy nisy aloha filazana ofisialy fa hosamborina tokoa izy. Ny eto Madagasikara moa dia ny resaka mandeha no tonga aloha ary dia aely mivongana tsy misy famakafakana intsony. Marina fa mety nisy ny fikasana fa tsy natao ny fitoriana: "Le ministre va saisir le parquet d'Antananarivo sur son cas" mantsy no voasotra ao amin'ilay communiqué milaza fa tsy mpikambana ao aminy Kabinetran'ny ministra Rahajason intsony izy. Ny lalàna moa dia azo anaovana "interprétation" izay tiana. Ohatra: "C'est l'intention qui compte". Asa fa dia lasa kilalao mihitsy ny fanaovan-gazety eto Madagasikara ary samy tsy mety manaiky ny fahadisoana daholo, nefa iray ihany anie ny atao hoe Fahamarinana e !

Mikasika ilay " levée de fonds" dia ny fandraisany azy dia olona no niantso azy amin'ny fomba hanampiana azy fa tsy niteny mihitsy hoe alefa sy atao antso amina radio.

Marihiko eto fa izaho, Jeannot Ramambazafy, no voalohany niantso an'i Jean Paul rehefa nisy nandefa ilay mail taty amiko. Ary nanazava tamiko ny zava-nitranga izy. Nefa moa ny an'ny ministra no tonga aloha. Aloha loatra. Izay no nilazaiko hoe : sarotra no miaro an'i Jean Paul satria mafy loatra ny pression. Koa samia madinika tena ny tsirairay fa tsy mijanona eo akory ity tantaran'ny zanak'olombelona. Ny fanontaniana goavana dia ny hoe : Ho an'ny tombontsoan'iza marina ireo fomba hanararaotana ny fahafahana miteny ireo ? Asa...Fa dia ny tantara no hitsara. Fa raha mbola mionona amin'ny "hono, hono" aloha dia e e e, ho gisitra eo foana Ra-Malagasy. Satria afangaro daholo izay tiana afangaro na dia tsy mis hifandraisana aza.

Jeannot Ramambazafy - 27 Febroary 2012

 

=============================================

FAMPITAM – BAOVAO

Resaka mikasika an’Atoa Randrianiaina Jean Paul

Mba itsaharan’ny resabe mifandraika amin’ ny raharaha mikasika an’Atoa Randrianiaina Jean Paul, dia mamerina manambara mazava sy hentitra ny Ministry ny Serasera fa tsy nametraka fitoriana ara-pitsarana an’io olona io.

Manamafy ihany koa ny Ministry ny Serasera fa mazava sy hentitra ny zava-boalazan’ny Fampitam -baovao nataony, ny andron’ny faha 06 Febroary 2012, fa hifandray amin’ny Tonian’ny Mpampanoa Lalàna eto Antananarivo izy mikasika ity tranga Randrianiaina Jean Paul ity.

Ny fifandraisana amin’io sehatra ara-pitsarana io, amina tranga na raharaha iray, dia tsy midika velively ho fitoriana ara-pitsarana avy hatrany sy fotsiny ihany fa, amin’ny maha-tomponandraikitry ny fampiharana ny Lalàna sy ny Didim-pitsarana ny Tonian’ny Mpampanoa Lalàna, dia azo atao tsara ny mifandray aminy ho fandinihana ny fepetra ho raisina, izay maro tokoa araka ny voatondron’ny Lalàna velona, mikasika izany tranga na raharaha izany.

Na izany na tsy izany, ny Fampitam-baovao, natao ny andron’io faha 06 Febroary 2012 io, dia tsy nanambara velively fa hitory ara-pitsarana an’Atoa Randrianiaina Jean Paul ny Ministry ny Serasera. (« Le Ministre de la Communication va saisir le Parquet d’Antananarivo sur son cas »).

Averina etoana indray, araka izay voalazan’ny Fampitam – baovao iarahana tamin’ny faha 25 Febroary 2012 lasa teo, fa « raha tena miafina marina tokoa Atoa Randrianiaina Jean Paul, dia andraikiny samirery izany noho ny antony manokana azy irery ihany, izay tsy misy idiran’ny Fanjakana velively ».

Ankoatr’izay, ny fanentanana olona, hanome fanampiana ny fianakavian’Atoa Randrianiaina Jean Paul satria nanapa-kevitra samirery ny hiafina izy na dia tsy misy aza ny fitoriana ara-pitsarana mikasika azy, dia mazava hoazy fa mety hanohina ny fo sy ny sain’ny olona, izay mety hihevitra fa misy ny fanitaram-pahefana na koa tsy fanarahan-dalàna ataon’ny Fanjakana amin’io olona io.

Ireo fanambarana hafa rehetra, mikasika ity raharaha ity, dia andraikitra samirerin’ireo izay nanao izany.

Ho famaranana, dia manitrikitrika ny Minisitry ny Serasera fa ny fanambarana amin’ny haino aman-jery, izay nilaza fa « karohan’ny DST mba ho samborina Atoa Randrianiaina Jean Paul » kanefa ity farany aza efa nanambara mazava tsara fa noho ny « ahiahy tsy ihavanana » fotsiny ihany no mahatonga azy miafina, dia famoahana vaovao tsy marina.

Antananarivo, faha 27 Febroary 2012

Ny Minisitry ny Serasera

Rahajason Harry Laurent

Mis Ă  jour ( Mardi, 28 FĂ©vrier 2012 05:51 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety