MADAGASKARA 29 MARSA 1947- 29 MARSA 2024 : 77 TAONA LASA NY TOLOM-PANAFAHANA

Mardi, 26 Mars 2024 12:12 A la une
Imprimer

« FITIAVAN-TANINDRAZANA NO FOTOTRY NY FAMPANDROSOANA ». Io no lohahevitra hatsiarovana ny faha-77 taonan’ny tolom-panafahana nataon’ireo mahery fo tia tanindrazana tamin’ireo mpananim-bohitra ny taona 194-1948, fa ny 29 Marsa 1947 no niantomobohiny tao Moramanga.

Hoy indrindra ny Filoha Andry Rajoelina, Filohan'ny Repoblikan’i Madagasikara, sady Filoha faratampon'ny Foloalindahy :

« Tsy afaka ao am-pontsika ary tsy ho adinontsika ny tolona nisy teto amin’ny firenena. Izany no hanamariantsika ny faha-77 taonan'ny tolom-panafahan'ny 29 martsa 1947, ka hanotrona anareo eny amin'ny Mausolée Avaratr'ambohitsaina sy any Moramanga ny tenako. Isika vahoaka malagasy rehetra manerana ny Nosy koa dia samy hahatsiaro ireo maherifontsika sy ny fitiavan-tanindrazana nampitain'izy ireo ho antsika amin’io andro manan-tantara io ».


Toa izao ny fizotran’izany fahatsiarovana izany :

22 marsa 2024 : fanokafana amin’ny fomba ofisialy fampirantiana eo amin'ny zaridainan’ny Anosy ary fizaham-pahasalamana maimaimpoana ho an’ny mpiady Tia Tanindrazana sy ireo Zokiolona 70 taona miakatra.

25 marsa 2024 : fanamarihana isakin’ny sekoly manodidina eto Andrenivohitra, Tanjona amin’ny fanaovana ity hetsika ity ny fameloma-maso ny tantara, sy ny fampitana ny fitiavan-tanindrazana nananan'ireo mpitolona tamin'izany fotoana izany, amin'ireo taranaka aty aoriana.

23 marsa 2024 : Fotoam-pivavahana hitondrana am-bavaka ny Firenena Fiangonana Advantista Soamanandrariny

24 marsa 2024 : Fotoam-pivavahana hitondrana am-bavaka ny Firenena FLM 67Ha

29 marsa 2024 MAUSOLÉE AVARATR’AMBOHITSAONA : IVON’NY FAHATSIAROVANA ho marihana amin’ny fametrahana fehezam-boninkazo sy ny fanehoana ny afo tsy maty izany. Hisy ihany koa ny fanoloran'Andriamatoa Andry Rajoelina, Filohan'ny Repoblikan’i Madagasikara, sady Filoha faratampon'ny Foloalindahy, ny Faneva ho an'ny « Taniketsan'ny Fanilo ».

29 marsa 2024 any MORAMANGA : ny fitokanana ny trano ho an’ireo «Mpiady tia tanindrazana», na ny «AKANY FIADANANTSOA».

Hisy ihany koa, araka ny voalaza eo ambony, ny fizahana ara-pahasalamana maimaimpoana ho an’ny Mpiady Tia Tanindrazana sy ny Zokiolona 70 taona miakatra, ny 25 marsa hatramin'ny 06 aprily 2024, mba ho fanohanana azy ireo. Hitohy isam-bolana izany fitsaboana maimaimpoana ho azy ireo.

Jeannot Ramambazafy

Mis à jour ( Vendredi, 29 Mars 2024 15:33 )