Iavoloha, Alahady 14 Janoary 2024. Ny fianianan’ireo minisitra miisa 27 taorian’ny nanendrena azy ireo

Mardi, 16 Janvier 2024 00:26 A la une
Imprimer

VIDÉO ETO

Eto anatrehin’Andriamanitra sy ny Vahoaka malagasy, miniana aho fa hanatanteraka ny andraikitra maha minisitra ahy amin’ny asa fampandrosoana ny Firenena, am-pahamarinana sy ampamendrehana.

Tsy hikatsaka hafa tsy ny tombontsoa ambonin’ny Firenena sy ny Vahoaka malagasy. Hanao ny ezaka rehetra hanasoa ny vahoaka ary hitondra vokatra aingana sy azo tsapain-tànana ao amin’ny departemanta izay sahaniko.

Ary raha tsy tanteraka ny asa sy ny fanamby nankinina amiko dia hametra-pialàna avy hatrany aho. Tsy hanao kolikoly ary manaiky fa ho enjehina sy ho ahitsy araky ny lalàna manan-kery raha sanatria manao izany.



Mis à jour ( Mercredi, 17 Janvier 2024 08:21 )