Andry Rajoelina, Kandida laharana faha-3 : « Fihetsika mamoafady ny fiantsoana tafika avy any ivelany hiady amin'ny miaramila malagasy toy ny « Casque bleus » »

Lundi, 09 Octobre 2023 03:07 A la une
Imprimer


Famintinana ny lahateny nataony ny Alahady 08 Oktobra 2023 :

Manimba ny endriky ny firenena ny fihetsika ataon'ireo mpitady korontana sy savorovoro. Tsy tokony hanointohina ny filaminan'ny hafa ny hetsika fitakiana atao toy ny fanehoan-kevitra. Tompon'andraikitra tanteraka noho izany izy ireo amin'ny korontana amin'ny fihariana sy ny andavan'androm-piainan'ny Malagasy.

Tsy mila korontana intsony ny vahoaka malagasy, ary tsy azo ekena ny fampifandrafiana ny samy Malagasy... Fihetsika mamoafady ny fiantsoana tafika avy any ivelany hiady amin'ny miaramila malagasy toy ny « Casque bleus » (Ttf : Tafiky ny Firenena Mikambana). Tsy miady an-trano akory ny Malagasy.

Afaka roa andro no hiatombohan'ny fampielezan-kevitra izay voafaritry ny Lalam-panorenana mazava tsara. Niantso fitoniana sy filaminana ny kandida Andry Rajoelina... Ny fifidianana ihany no hany lalan-tokana ametrahana ny safidin'ny Malagasy marina izay tiany hitondra ny fireneny.


Mis à jour ( Lundi, 09 Octobre 2023 04:11 )