]
Les quotidiens du 19 Mar 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Tambavy sy fanafody. Sahala fa tsy mitovy eo anatrehan'ny OMS

Tambavy sy fanafody. Sahala fa tsy mitovy eo anatrehan'ny OMS

Tena asa raha diso lalin-tsaina lohatra ingahy Marc Ravalomanana, Filoha teo aloha nametra-piĂ lana sy nitsoaka tatsy Afrika atsimo, sa kosa tena efa nivadika ati-doha, miaraka amin'ireo mpanolotsaina miseho mahay teny frantsay ikoizana...

Satria ny maha-Malagasy azy mihitsy no tiany nariana rehefa tsisy apoaka intsony eo amin'ny hoe "fanoherana" ara-politika. Any ka tany amin'ny Fikambanana iraisam-pirenena momban'ny Fahasalamana (Organisation mondiale de la santé na OMS) no nitonatonana nanoranoram-poana. Fanafody e fanafody ("médicament") ! Resaka tambavy ity Covid Organics na CVO ity, Ramose, ary tsy misy idiran'ny OMS mihitsy. Fa inona tokoa moa ny hoe "tambavy" sy ny hoe "fanafody"?

Misy dikany telo io hoe "tambavy" io.

1. Anaran'aretina mahazo ny zaza izay heverina fa avy amin'ny vehivavy reniny niteraka azy ihany. Tratry ny tambavy no fiteny amin'izay;

2. Tamboalohany dia fanafodin-jaza atao hoe tambavin-jaza, amboarin'ny mpikirakira raokandro nentim-paharazana. Sotroina izy io ary somary mangidy foana amin'ny lela sy vava;

3. Anarana nomena ireo raokandro malagasy sasany izay rehefa natambatra dia manome ny tambavin-jaza.

Taty aoriana dia nafohezina ilay teny ka lasa hoe tambavy fotsiny ary nantsoina mihitsy hoe "mangidy" indraindray. Dia ireny mbola hitan-tsika misy mivarotra eny an-tsena toa ao Anosibe, ohatra. Iza amintsika no tena mahalala marina izay zavatra nanaovana azy ireny sy ny fatrany, ary iza amintsika no tsy mba nisotro ireny mangidy ireny, indrindra fa ny sarambabem-bahoaka sy ny tantsaha ? Iza amintsika no efa nandre fa narary, hono, i Anona fa nisotro mangidy na tambavy ? Ary ingahy Marc Ravalomanana avy etsy Imerikasinina ve dia sahy hilaza fa tsy fantany izany mangidy sy tambavy izany sa koa hoe sary namboarina io ambany io ?

Marc Ravalomanana teo am-pisotroana "mangidy". Tsy adinony eo ny maha zanaka tantsaha azy. Saingy rehefa niseho nahita fianarana kely dia tsy tsaorany intsony izany fiainana ao Imerikasinina sy Ambatomanga izany...

Diabeta, aretim-bavony, homamiadana, vato, sinusite, aretim-borona, sns, sns maro tsy voatanisa eto. Ny Malagasy avy any ambanivohitra dia efa voataiza amin’ity fitsaboana nentim-paharazana ity ka tsy manatona dokotera mpitsabo mihitsy raha tsy hoe tena aretim-be. Ary fantaro fa ireo dokotera mpitsabo sasany aza dia mampividy azy tambavy sy/na fanafody avy amina raokandro rehefa hitany fa tsy mahomby ny fitsaboana "mahazatra" atao amin'ny fery tsy mety sitrana na ny kaikitram-biby na koa ny famaizana.

Raha tsorina izany dia fanafody ny tambavy fa ny fanafody kosa tsy voatery hoe tambavy satria ny atao hoe "fanafody" dia izao : zavatra entina manasitrana na hiarovana amin'ny aretina ho an'ny olombelona sy ny biby, eny fa na ho an'ny zava-maniry koa aza. Misy ny fomba fampiasana ny fanafody : natao hatelina ("pilule"), hosotroina ("sirop"), hahosotra (pommade"), hatsindrona ("piqûre"), hasisika ("suppositoire") ary hoevohana ("inhalation").

Misy karazany roa mazava ny hoe fanafody. Ao ny fanafodin'ny Ntaolo ka tafiditra amin'izany ny tambavy, ary ao ny fanafody vazaha izay namboarina sy nafarana avy any ivelany ka raha tena tsorina dia niala avy tamina raokandro navadika ho "pila" amin'ny alĂ lan'ny molekiola simika. Io no mankarary vavony rehefa mitsabo tena ela loatra aminy.

Raha hidiran-tsika indray ny fitsaboana dia mizara telo mazava araka ny OMS mihitsy. Ao ny fitsaboana nentim-paharazana na "médecine traditionnelle" (MT): ao ny fitsaboana fanampiny na "médecine complémentaire" (MC); ao ny fitsaboana maoderina "nifanarahana" azo adika amin'ny hoe "médecine conventionnelle" (MC) ary ao ny fitsaboana sady nentim-paharazana atambatra amin'ny fitsaboana fanampiny (MT/MC).

Ny taona 2013 dia namoaka boky miisa 72 pejy ny OMS, mitondra ny lohateny hoe : "Stratégie de l’OMS pour la médecine traditionnelle pour 2014-2023". Raha adika amin'ny teny malagasy dia : stratejia ho an'ny fitsaboana netim-paharazana ho an'ny taona 2014 ka hatramin'ny taona 2023. Ao anatiny mihitsy isika izao. Inona no votoatiny raha fintinina ? Ity izy aloha amin'ny teny frantsay ary avy eo fintinina amin'ny teny malagasy:

La Stratégie de l’OMS pour la médecine traditionnelle pour 2013-2024 se donne pour objectifs d’aider les États Membres à :

1. mettre à profit la contribution potentielle de la MT/MC à la santé, au bien-être et aux soins de santé axés sur la personne.

2. favoriser un recours sûr et efficace aux produits, pratiques et praticiens de MT/MC grâce à leur réglementation, leur évaluation et leur intégration dans les systèmes de santé, s’il y a lieu.

Cette stratégie a été élaborée en vue d’aider les États Membres à définir et à hiérarchiser leurs besoins, à délivrer des services efficaces et à instaurer une réglementation et des politiques adéquates afin de garantir un recours sûr aux produits et pratiques de MT/MC.

Il est important de garder à l’esprit que cette stratégie constitue simplement un guide visant à aider les pays à définir leurs propres objectifs stratégiques de MT/MC au regard de leurs pratiques nationales, de leurs priorités, de la législation en vigueur et du contexte. À cette fin, l’OMS s’engage à surveiller la mise en œuvre de cette stratégie et à la diffuser aussi largement que possible.

Raha fitinina amin'ny teny malagasy mora raisina ireo voalaza ireo dia toa izao : Hanampy ny firenena mpikambana ao amin'ny OMS ny tarigetran'ity Stratejia 2014-2023 ho an'ny fitsaboana nentim-paharazana ity mba:

1. Hafahan'ny fitsaboana nentim-paharazana sy ny fitsaboana fanampiny (MT/MC) hanatsara bebe kokoa ny fahasalamana, ny toe-piainana sy ny fizahana ara-pahasalamana amin'ny olombelona (ny olom-pirenena);

2. Hafahana mandrindra ao anatin'ny fahombiazana tsara kokoa ireo vokatra, ny fomba fitsaboana miala avy amin'ireo amin'ny alalĂ na lalĂ na, fanaraha-maso ary koa ny fidiran'ireo vokatra ireo ao anatin'ny rafitry fitsaboana miankina amin'ny fanjakana.

Marihina ary tsara ho tadidy lalan-dava fa toro-dalĂ na ihany ity stratejia ity hafahan'ny firenena isan'isany mandrafitra ny stratejiany manokana eo amin'ny lafin'ny MT/MC, ka mifaranaka amin'ny fomba amam-panaony, ny laharam-pahamehany, ny lalĂ na manankery sy ny tranga misy. Izany hoe, ny any ataon'ny OMS ao anatin'izany rehetra dia ny fanarahana ny fampiarana ity stratejia ity sy ny fampielezana azy faran'izay tratrany.

Fa inona marina moa ity hoe "fitsaboana nentim-paharazana" ity ? Fitsaboana amin'ny alĂ lan'ny raokandro na zava-maniry voajanahary alaina vao maraina ka manasitrana toa ny ahitra, ny ravin-kazo isan-karazany, ny hazo maro be, ny hodin-kazo, ny fakan-kazo... Ny mpitsabo nentim-paharazana izany dia mahalala hoe inona ilay zavaboary azo atao raokandro ka afaka ampiasaina ny raviny, ny hodiny, ny vatany, ny fakany, ny voniny, ny voany. Eny mahasitrana sy/na mampantanjaka ihany koa ny legioma sy ny voankazo sasan-tsasany. Fa aza adino : ny mihinam-bary be loatra mety hankarary...

Tandremo ! Tsy azo afangaro mihitsy kosa aloha ny mpitsabo nentim-paharazana sy ny "Dadarabe" (mpanao ody gasy), na koa mpamorika mihitsy, izay mampiasa ny herin'ny maizina. Tsy mahavelona fa mahafaty satria vorika sy famosavina hamelezana olona no tanjona. Fa afaka manala izany ary manasitrana koa anefa ny olona nandimby ny mpanao "fanafody gasy" nandray lova tamin'ny Razambeny. Saingy vitsy izy ireo ankehitriny ka mila mitandrina fatratra eo anatrehin'ny mpisoloky tsy mahalala afa-tsy vola no tanjona.

Raha iveranana kely ny resaka fitsaboana nentim-paharazana dia tsara ho fantatrao mpamaky hajaina fa ny taona 2003 dia tao Rwanda no nankalazana ny "Andro Afrikana ho an'ny Fitsaboana nentim-paharazana voalohany" ("Première Journée Africaine de la Médecine Traditionnelle"). Teny filamatra tamin'izany: « La médecine traditionnelle, notre culture, notre avenir ». Ny fitsaboana nentim-paharazana, kolontsain-tsika, ho avin-tsika. Fantaro ary fa raha misy raokandro (zava-maniry fitsaboana aretina) eo amin'ny efatra arivo sy iray alina manerana ny Afrika dia ny 80% amin'izy ireo tsy hita raha tsy eto Madagasikara. Ary fantaro koa fa 80%-n’ny Afrikana no mampiasa ny fitsaboana nentim-paharazana ka tafiditra amin'izany tanteraka ny Malagasy.

Ao anatin'izay voaresaka izay izany dia mazava fa tsy azo kilasiana ho fanafody ("médicament") ny Covid Organics (COV) novokarin'ny IMRA (Institut malgache de recherches appliquées) natsangan'ny Profesora Albert Rakoto-Ratsimamanga ny taona 1957. Tsy vao izao taona 2020 izao akory io IMRA io no namokatra tambavy sy tena fanafody miala avy amina raokandro malaza eran-tany mihitsy. Iza no tsy mahalala ny "pervenche de Madagascar" na Catharanthus roseus any ivelany any, ohatra ? Tsy anao dokambarotra moa no anton'ity lahatsoratra ity fa hampiahaka ny adalan'ingahy Marc Ravalomanana sy ny forongony amin'ity fomba efa mahazatra azy hatry ny ela, dia ny miresaka momba ana zavatra tsy fantatra sy tsy voafehy ka hifototra any amin'ny hatrany.

Rehefa naseho ampahibemaso ilay Covid Organics dia indro ary ny anareo fa nanoratra tany amin'ny Tale jeneralin'ny OMS ankehitriny, ny 21 aprily 2020, ary notsipihiny mihitsy fa "médicament" no resaka ("(...) suite à l'annonce des autorités de Madagascar de la découverte d'un médicament à base de plante médicinale, l'Artemisia (...)"). Marihina eto fa io Artemisia io dia tsy azo ampiasaina ao France sy ao Belgique. Eo ampamaranana moa dia tsapa fa tena rediredy be no mba nentiny niady "hiraovana ny vahoaka" hono, ka mira baiko mihitsy : "(...) Je vous demande de nous informer si l'utilisation de ce médicament pour le traitement du COVID-19 a été approuvée par l'OMS. Si ce n'est pas le cas, je vous prie de réagir sur l'utilisation à grande échelle d'un médicament qui n'a pas fait ses preuves et interpeller le gouvernement sur les normes internationales et les risques potentiels pour la population".

Izao no dikany : mba mangataka aminao ny hampilazanao anay raha ny fampiasana io fanafody atao fanefitry ny COVID-19 dia nahazo fankatoavana avy amin'ny OMS. Raha tsia ny valiny dia miangavy anao aho mba hamaly amin'ny fampiasana faobe an'ity fanafody izay tsy voasedra akory ka hampatsiahy ny governamenta ireo fenitre iraisam-pirenena sy ny risika mety hitranga ho an'ny vahoaka. Izay izany no hitan'ny mason-dry Ravalo mianakavy mikasika ny Covid Organics, izay tambavy novokarin'ny IMRA.

Ny 22 avrily 2020 dia nihaona tamin'ny Filoha Andry Rajoelina ny ao amin'ny Académie nationale de médecine de Madagascar (ANEMM) notarihin'ny Filohany, ny Profesora Marcel Razanamparany. Ity manaraka ity ny dikan-tenin'io taratasy amin'ny teny frantsay io ambony io:

Noraisin'ny Filohan'ny Repoblika, Andry Rajoelina, ny 22 aprily 2020, tao amin'ny Lapam-panjakana ao Ambohitsorohitra ny Académie nationale de médecine de Madagascar, teo anatrehin'ny Ramatoa minisitry ny Fianarana ambony sy ny Fikarohana scientifika izay nisolo tena ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka. Io fihaonana io dia nafahana nanala ny ahihahy rehetra mikasika ilay tambavy Covid Organics (TAMBAVY CVO).

Satria tsy fanafody ny COVID-ORGANICS fa tambavy nohatsaraina, dia tsy misy mihitsy ny antony, avy amin'ny Académie, ny hanakanana ny fampiasana azy ka tsy an-tery mihitsy akory fa kosa tsy maintsy manaja tsara ny fatrany voasoratra eo amin'ny fonony, indrindra ho an' ireo ankizy.

Nampahafantarina anay ireo raokandro nampiasaina ka nafangaro sy ny fatran'ny heriny eo amin'ny lafin'ny fampiasana io tambavy io, araka ireo dosie teknika sy siantifika nalefa taty aminay. Eo ankilany kosa dia manome sosokevitra ny Académie nationale de médecine ny hitsaganan'ny rafitra iray hanarahana ireo olona nisotro io Tambavy CVO io.

Ny Académie nationale de médecine dia manohana ny fahavononan'ny Fanjakana malagasy eo amin'ny fitadiavana vahaolana ao anatin'ny ady amin'ity valan'aretina Covid-19 maneran-tany ity, sy ny ezaka ataon'ny manam-pahaizana siantifikasy ny mpikaroka malagasy.

Satria tokoa mantsy, ny antom-pisian'ny Académie nationale de médecine de Madagascar dia ny manoro hevitra, manohana, manampy ary mandray anjara amin'ny fandrosoan'ny Siansa ankapobeny, ary ny sehatry ny Fitsaboana sy Fikarohana ankapobeny.

 

Diso fiantefa tanteraka izany ry Ravalomanana sy ireo mpanolontsaina tsy mahalala tsara ny momban'ny OMS. Tsy misy idirany, Tompoko, ity resaka TAMBAVY CVO ity, rehefa nanome alàlana mazava ny Académie nationale de médecine de Madagascar. Ary dia averiko eto mihitsy ny voalaza ao amin'ilay "Stratégie de l’OMS pour la médecine traditionnelle pour 2014-2023" : Marihina ary tsara ho tadidy lalan-dava fa toro-dalàna ihany ity stratejia ity hafahan'ny firenena isan'isany mandrafitra ny stratejiany manokana eo amin'ny lafin'ny MT/MC, ka mifaranaka amin'ny fomba amam-panaony, ny laharam-pahamehany, ny lalàna manankery sy ny tranga misy.

Dia inona moa no afaka nataon'io Tale jeneralin'ny OMS io ny 23 avrily 2010 ? Nilaza fotsiny izy fa tsy nahita porofo ara-siantifika fa mahasitrana na manakana ny aretina Covid-19 io Covid Organics io. "L'Organisation mondiale de la santé (OMS) affirme qu'il n'existe aucune preuve scientifique que le remède de Madagascar contre le Covid-19 soit efficace". Lasa Masindahy Tomasy izany e! Fa tsy afaka manasazy izy r'ingahy Ravalo a !

Ary izay ny antony nahatonga ny OMS tsy niteny, hatreto, satria voan'ny ataony ihany (miray tsikombakomba amin'ireo laboratoires vazaha mpanao vaksiny izay andrasan'ny Filoha Macron hivoaka aorian'ny 11 may 2020). Ny solontenany eto Madagasikara moa, Ramatoa Charlotte Faty Ndiyae, dia mpanatanteraka fotsiny ihany... sady an-dalĂ m-podiana satria efa tamin'ny volana janary 2015 izy no nandray io andraikiny io.

Asa, iza indray izao no handefasan'i Dada taratasy fitarainana. Fa izay rehetra nalefany dia nandamoaka daholo, nanomboka izy nirotsaka ho kandida filoham-pirenena. "Normal", hoy ny mpiara-dia aminy raha miakatra foana ny... tambaviny.

Jeannot Ramambazafy – Lahatsoratra nivoaka ihany koa ao amin'ny "La Gazette de la Grande île" sabotsy 25 avrily 2020


Mis Ă  jour ( Samedi, 25 Avril 2020 18:12 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety

 

RATSIMANDRESY ANNA RAYMONDE (NANA). FISAORANA SY VIDEO