Claudine Razaimamonjy: «Hifanao mihinana ny amaniny, lelena!»

Samedi, 01 Juillet 2017 13:18 A la une
Imprimer

Lohateny tsy dia fahita firy io, kanefa akory atao fa teny tena navoakan’i Ramatoa Claudine Razaimamonjy io, teo aloha kelin’ny nisamborana azy tao amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena sy ny Kolontsaina ao Mahamasina. Feony mihitsy io, toa ny feon’i Olivier Mahafaly ATO (Raharaha kolikoly tamin’ny fifidianana Loholona).

Ingahy filoha mbola nampandry adrisy tany Parisy foana. Herin-taona sy tapany anie sisa ny fotoam-piasanao rangahy ity e!

Nanizingizina ary i Ramatoa Razaimamonjy fa dia arovan’ny filoha Hery Rajaonarimampianina fatratra, ka tsy misy atahorany mihitsy n’iza n’iza. Io ambony io ny horonam-peo. Mihaino hatramin’ny farany. Manaraka eto ambany kosan ny vontoatin’ny fanambarany. Samia mandinika tsara. Ary asaivo mitady mpandika teny mahay ny vazaha raha tena malahelo ny firenena malagasy ny sasany amin’izy ireo. Misaotra betsaka. Fa izao: nadikan'ny Rfi (Radio France internationale) amin'ny ampahany (TSINDRIO ETO).

FAMINTINANA MAHAZENDANA SY MAMPANONGO-TENA

Bianco: Allo izaho ihany, Tompoko, ilay niantso teo. Avy aty amin'ny BIANCO ihany Madame Claudine

Ramatoa Claudine: Allo ! Hon hon, dia maninona? Tsy hihaona aminareo aho aa! Ianareo fantatray fa ampiasain'ny mpanohitra! Aleo hiala ny Prezidà Hery vao miantso ahy ianareo!

Bianco: Madame Claudine mba te hiresaka aminao anie izahay e!

Ramatoa Claudine: Madame Claudine inona ah.... Aleo hiala teo i Hery Rajaonarimampianina vao miantso ahy ianareo! Tsy matahotra anareo izaho! Ianareo ampiasan'ny mpanohitra!

Bianco: Sao mba afaka mankaty amin'ny Birao na makany amin'ny biraonao izahay? Sao mba afaka mihaona madama!

Ramatoa Claudine: Tsy mila ny biraonareo aho! tsy mila anareo aho!

Bianco: Izahay anie Madama hikaroka ny marina, manao fanadihadiana e?

Ramatoa Claudine: Fanadihadiana amin'ny inona? Tsisy saina maty daholo! Mangala « audience » any amin'i Hery Rajaonarimapianina ary! Andraso hiala i Rajaonarimampianina vao miantso ahy ianareo... Ianareo ataon'ny « opposition » fitaovana ry Bianco a... Alaivo aty amin'ny Palais aty Iavoloha aho raha sahy ianareo! Tongava aty Iavoloha fa aty aho izao!

Bianco: Ka horaisinao ve izahay Madama raha makany aminao? Ianao mantsy milaza hoe any Iavoloha?

Ramatoa Claudine: Tsy mila mandray anareo aho, mankanesa ao amin'ny biraon'i Hery, mangataha « audience » amin'ny Prezidà Hery amin'ny biraony ianareo! Maninona no samborinareo ny « Maire »-nay? Raha misy fitiavanan'i Hery ianareo dia avohay ny « maire »-nay! Hifanao mihinana ny amanininy eto isika, izaho tsy mahatotra anareo! Efa kobonay ianareo! Ataon'ny mpanohitra fitaovana!

Bianco: Ka afaka mandray anay ve ianao Madama, ianao anie manakaja e!

Ramatoa Claudine: Ny inona e! hifampihina ny amaniny eto isika! Ka mahasoso-tay ahy ny zavatra ataonareo! Ny olona sambosamborinareo. Ataovy ao anatin'ny lohanareo fa izahay no eto amin'ny « pouvoir » izao! Tsy mila mandray anareo iaho! Tsy mila!

Bianco: ataonao inona hoe ny « carrière » nay?

Ramatoa Claudine: Asa. Ho potipotehinay ny « carrière »-nareo. Ho hitan-tsika eo! Hifankahita isika! Lelena !...

*************

Ny 29 Jolay 2017, rehefa nanontanian’ny mpanao gazetin’ny TV5 Monde ingahy filoha Rajaonarimampianina, mikasika indrindra an’i Ramatoa Claudine Razaimamonjy dia izao manaraka izao ny fanambaranany tena mahavariana. Fa raha fintinina dia nilaozan’i Heru ianareo ra-Claudine a ! Mandoro ny lambany loatra. Tokony afainganana amin’izay ny fitsaranao, raha mbole hoe « tany tan-dalàna » izany i Madagasikara…


TV5 MONDE :

Ce phénomène de corruption continue à progresser. En tout cas, selon l'ONG Transparency International qui cite Madagascar parmi les pays les plus corrompus au monde. L'affaire Claudine qui défraie la chronique à Antananarivo en ce moment est un exemple. C'est une de vos proches. Claudine Razaimamonjy qui est aussi un des membres fondateurs de votre parti. Elle a été placée en résidence surveillée pour détournement de fond public. Est-ce que vous ne pensez pas que cette affaire risque t'entacher votre image, celle de votre parti également?

PRÉSIDENT RAJAONARIMAMPIANINA :

Non du tout. Moi, je laisse la justice faire son travail. Moi, j'ai toujours dit que la lutte contre la corruption est un grand défi du pays. Ce n'est pas seulement maintenant que ça arrive. C'était déjà présent et c'est un défi énorme. Si je pouvais décréter pour, je veux dire, annuler cette corruption, on aurait pu le faire. Mais ce n'est pas aussi simple que ça.

TV5 MONDE :

Oui, mais tout de même c'est une de vos proches. Vous la connaissez?

PRÉSIDENT RAJAONARIMAMPIANINA :

Oui, mais tout le monde peut se dire proche d'un Président de la République. Mais cela ne dédouane personne, le fait d'être proche ou loin du Président. Je pense qu'aujourd'hui ça fait partie des priorités du Président de lutter contre la corruption pour mettre en place une bonne gouvernance au sein de notre société, parce que c'est parmi les maux qui rongent la société.

Jeannot Ramambazafy 1er Juillet 2017

Mis à jour ( Lundi, 03 Juillet 2017 04:51 )