New York. Basy mifatotra asa tanan’i Carl Reuterswärd naman’i John Lennon (Beatles)

Mercredi, 21 Septembre 2022 10:00 Madagate affiche
Imprimer

Io sarina basy mifatotra eo ambon’ny lohako io dia mitondra ny anarana hoe: “Knotted Gun” na koa basy mifatotra.


Izy io dia sanganasan’ilay teratany avy ao Suède, Carl Fredrik Reuterswärd na Carl Reuterswärd fotsiny, sady mpanoratra no artista mpanao sary sokitra. Taorian’ny nitifiran’i Mark David Chapman an’i John Lennon (iray amin’ny tarika anglisy malaza eran-tany Beatles), ny 8 desambra 1980 tao Central Park New York, dia niangavy azy i Yoko Ono -vadin’i John Lennon- hamorona sangan’asa mitaratra ny fijerin’ilay maty izany fandriampahalemana maneran-tany izany sy ny atao hoe “Non-Violence” (tsy fisiana erisetra).


I John Lennon moa namana tena akaikin’i Carl Reuterswärd raha teo ka tsy nisalasala ity farany niketrika ka dia io “Knotted Gun” io no vokany, izay nalaina tahaka tamina basy Colt Python 375. Vao vita izy io dia napetraka teo anoloan’ny tranon-dry John sy Yoko ao Strawberry Field, Central Park, New York ilay “Knotted Gun”.


Telo no tena sanganasan’i Carl Reuterswärd mitovy amin’izy io, mirefy 1,50m. Ny voalohany napetraka eo anoloan’ny garan-dalamby ao Malmö (Suède); ny faharoa nomen’ny governemantan’ny Luxembourg an’ny Firenena Mikambana ao New York, ary ny fahatelo dia napetraka ao amin’ny Komisiona Eoropeana ao Luxembourg.

Ny taona 1993 dia lasa fanevan’ny Ong “Non-Violence Project Foundation” (Fikambanana tsy miankina miady ho an’ny tsy fisian’ny erisetra) ilay izy. Izy ity dia natsangana hampianarana ny tanora hamaha olana am-pilaminana, am-piresahana fa tsy amin’ny alalan’ny erisetra.

Nisy ihany koa “Knotted gun” fa kely refy napetraka ao amin’ny zaridain’ny Skissernas Museum”, ao Lund any Suède.


Amin’izao fotoana izao dia toa miisa 30 ny dika mitovy (“répliques”) an’io sanganasan’i Carl Reuterswärd io, izay miparitaka maneran-tany mihitsy. Ny taona 2003 dia nanokatra vinan’asa ny fikambanana “The Non-Violence Project”. Inona, hoy ianareo ? Ny hisiana dika mitovy amin’ny Basy mifatotra io ao amin’ny firenena tsirairay avy maneran-tany.


Ny 3 mey 2016 i Carl Fredrik Reuterswärd no nodimandry teo amin’ny faha-81 taonany, tratry ny AVC (“accident vasculaire cérébral”). Tapaka lalan-drà raha adika mivantana. Ny sangan’asany kosa dia hitoetra mandrakizay ary hiroborobo maneran-tany mihitsy aza.


Tononkira faran’ilay hira Imaginenirain’i John Lennon

Imagine all the people living life in peace
You may say that I’m a dreamer
But I am not the only one
I hope someday you’ll join us
And the world will live as one.

DIKANY

Alao sary an-tsaina ny olona rehetra miaina am-piadànana (na am-pilaminana)

Mety hilaza ianao fa mpanonofy aho

Tsy izaho irery anefa [no misaina izany]

Manantena aho fa indray andro any dia hiaraka aminay ianao

Ary ho iray izao tontolo izao [amin’izany foto-pisainana izany].

Jeannot Ramambazafy

Mis à jour ( Mercredi, 21 Septembre 2022 10:54 )