Amoron'Imania: Fankalazana ny Andro eran-tany ho an'ny Fianakaviana 2013

Jeudi, 16 Mai 2013 12:44 Madagate affiche
Imprimer

Ny ministra Olga Vaomalala Ramaroson

FA IZAY REHETRA ATAONAREO DIA ATAOVY AMIN’NY FITIAVANA

Tao amin’ny faritra Amoron’I Mania no nanamarihana tamin’ny fomba ofisialy ny fankalazana ny Andro eran-tany ho an’ny fianakaviana izay lohahevitra noraisina tamin’izany ny hoe : “ ANDAHO HIFANOME TANANA , HANAMPY IREO ANKOHONANA MAREFO”.

Lohahevitra izay nentina indrindra hanomezan-danja ireo fianakaviana marefo, ary hitariana ny sain’ny rehetra fa na samy hafa foko aza ny eto Madagasikara dia fianakaviana iray ihany.

Ny hafatra nampitain’ny minisitry ny Mponina sy ny Raharaha sosialy, Olga Vaomalala, rahateo dia naneho izay maha zava-dehibe ny fianakaviana izay mirakitra toy izao :

Zava-dehibe amintsika Malagasy ary reharehan-tsika ny tia fihavanana, raha tena izy dia tokony ho mpihavana daholo isika , izany hoe : mifanampy, mifampitsinjo ary mifanavotra . Tsy izany anefa ny zava-mitranga sy hita, fa na mifanary na mitazam-potsiny. Eny, mitady hifankahala mihitsy aza. Ny fanahy no maha olona, hoy ny Ntaolo ary soa atao levenam-bola fa ny ratsy atao loza mihantona. Koa ndaho hifanome tànana hitady vahaolana ; andaho hifaninana amin’ny soa. Tsy misy tsy miady fa izay to fo mpamosavy. Atombontsika izany amin’ny fijerena manokana ireo marefo na ireo niangaran’ny vintana. Misy ny tokony hiahy ary ao ireo ahiana, vonona tanteraka amin’izany fiavotana izany.

Eto Amoron’i Mania no nanombohana izany, izany hoe : Reny mpiahy 50 ary Reny vonona 50 nahitam-bokatra izany fifanampiana izany, ary ezahina ny hanaparitahana izany hevitra izany eran’i Madagasikara, mba tsy hitàran’ny adihevitra mahamenatra ankehitrio, mba hananantsika firaisankina tena izy fa tsy sarintsariny dia andaho hifanome tànana hanampy ireo ankohonana marefo Malagasy.

Tsy ho tsarain’ny tantara isika, tsy hanan-tsiny amin’ny taranaka. Ambony lalàna ny fitiavana ary ambon’ny tondrozotra ny fanetren-tena, tsinjovy ny sahirana, tantano ny marefo, areno ny lavo ary izay rehetra ataonareo dia ataovy amin’ny fitiavana.

Navoitry ny minisitry ny Mponina teto ihany koa fa dia ilaina ny firaisankinan’ny vehivavy  mba hahay hifankatia, hifanampy. Nomeny hafatra manokana moa ny momba ny fanondranana vehivavy sy ankizy any ivelany, izay nilazany fa misy amin’izao fotoana ny "agence" izay mitety faritra mihitsy mitady ireo ankizivavy alefa hiasa any ivelany. "Aoka ianareo hitandrina tsara", hoy ny minisitra "fa aza sodoka ny hiasa any ivelany kanefa dia avy eo fijaliana no hita". ho an’ny lehilahy moa dia nampahatsiahy ihany koa ny minisitra ny tsy hanaovany herisetra amin’ny vehivavy.

Ankoatra ny kabary nifandimbiasana dia nisy ny fanolorana ny marim-pankasitrahana ireo Reny mpiahy 50, izay hiahy manokana ny Reny sahirana miisa 50 ihany koa. Araka ny fanazavana dia ireto Reny mpiahy ny Reny vonona ireto no samy hiahy Reny iray avy, ka izy ireo no hanampy ireo Reny sahirana, na ara-moraly na aram-pitaovana. Nisy araka izany ny fanolorana "panier garni" ahitana ny toro-làlana avy amin’ny ONN, akoho, menaka,... Ho an’ireo Reny sahirana 50 kosa dia notolorana vary, menaka ary bodofotsy izy ireo .


Notanterahina tamin’ity andro 15 mey 2013 ity ihany koa any fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fizarana kilalao ho an’ny ankizy sahirana izay ao anatin’ny Tetik’asa Ankizy Krismasy, ka ankizy miisa 100 no nisantarana izany fizarana kilalo izany, ary hitohy amin’ny faritra rehetra eran’ny Nosy. Ny 25 Mey 2013 indray no fanokafana nasionaly ho an’ity fizarana kilalao ity.

Nampiarahana tamin’ny ity anio ity ny fitokanana ny trano iasan’ny Talem-paritry ny Mponina ao Amoron’I Mania , sy ny trano fampianarana taozavatra izay eo ambany fiahian’ny DRSP (Direction de réinsertion sociale et économique) ao amin’ny Fokontany Alakamisy Ambositra. Niampy ny fitaovana fandrafetana ho an ’ny sembana izay manao rafitra hazo.

Marihiana fa tonga niatrika izao lanonana izao ny Lehiben’ny faritra Andriamatoa MAMINIRINA EUGENE, ny mpikambana ao amin'ny CT sy CST avy ao amin’ny faritra Amoron’I Mania, ny Ben'ny tanànan' Ambositra, ny Tale ny avy amin’ny minisiteran’ny Serasera.

Soratra sy sary : Andry RAKOTONIRAINY


DSC00438.JPG


DSC00439.JPG


 


DSC00445.JPG


DSC00446.JPG


DSC00458.JPG


DSC00460.JPG


DSC00493.JPG


DSC00498.JPG


DSC00565.JPG


DSC00617.JPG


DSC00693.JPG


DSC00623.JPG

Mis à jour ( Jeudi, 16 Mai 2013 13:11 )