Madagasikara Mozika : S.O.S Haja Rakotonimanga

Mercredi, 21 Novembre 2012 06:40 Madagate affiche
Imprimer

Tolo-tanana ho an’i Haja Rakotonimanga (Claviste)

Hiantsehatra ao amin’ny « Piment Café » i Bodo Razafindrazaka

Bodoharisoa Razafindrazaka

Mpitendry vata maroafitsoka isan'ny manana ny maha-izy azy i Haja ary eo amin'ny sehatry ny Jazz no tena ahafantaran'ny maro azy, efa an-taonany maro ihany koa izy no nanara-dia an'i Bodo, teo amin'ny vata maroafitsoka ihany. Tafalatsaka anaty aretina mafy izy ankehitriny, aretina izay nidirany ao amin'ny sampana « Réanimation », ao amin'ny HJRA Anosy.

Mila manaraka « traitement » isan'andro izy ka manodidina ny 200.000ar isan'andro ny vola ilaina amin'izany fitsaboana azy izany. Araka ny fantatra dia tsy maintsy mbola hiatrika fandidiana lehibe izy atsy ho atsy, fandidiana izay azo antoka fa ilàna vola betsaka ihany koa.

Haja mitendry any Andafy...

Entina indrindra hanampiana ireo namany sy ny fianakaviany amin'ny fitsaboana an'i Haja dia hanao cabaret i Bodo ny sabotsy 24 Novambra alina izao, amin'ny sivy ora, ao amin'ny « Piment Café » Behoririka. Any an-toerana no ahafahan'ireo malala-tànana miserasera mivantana amin'ny fianakaviany na i Bodo mihitsy ka manolo-tànana azy ireo amin'izao voina mahazo an'i Haja izao. Dia misaotra mialoha, tompoko, satria ny firaisan-kina no hery voalohany amin'isika Malagasy.

www.madagate.com