Madagasikara sosona ozona : ONUDI nanome fitaovana mitentina $ 80.000

Mardi, 18 Septembre 2012 15:30 Madagate affiche
Imprimer

Antananarivo, 17 Septambra 2012. Mbola lavitra ny ezaka atao eto Madagasikara ho fanatratrarana ny tanjona eo amin’ny fiarovana ny sosona ozona (“Couche d’ozone”) eny fa na ny eran-tany aza, raha ny vinavina dia ho kendrena ho tratra izany any amin’ny 50 taona manaraka izay ampihena ho hatrany amin’ny 98% ny entona manimba ny sosona ozona; izany hoe any amin’ny taona 2030 any.

Midika io, arak’izany, fa mbola tsy ampy ny fanentanana ny mponina sy ny eny  anivon’ny ladoany, izay mbola ahitana ny fidiran’ny fitaovana manimba ity sosona ozona ity, indrindra fa ireo izay tena mampiasa ny entona manimba ity sosona ozona ity eto amintsika.


Voalaza rahateo nandritra ny fanamarihana ny “Andro Iraisam-pirenena hiadiana amin’ny entona manimba ny sosona ozona”, ny Alatsinainy 17 Septambra 2012 teo, fa ny lafin’ny serasera ho fampahafantarana ny isan-tokatrano ny entona manimba (gaz à effet de serre) no tena tsy ampy.

Ankoatra ny orinasa sy ny hafa mampiasa ny entona simika mantsy dia hita fa loza mananontanona ny ao an-tokatrano ny fitaovana ampiasaina ao, toy ny vata fampangatsiana izany, izay mitahiry ny entona manimba, nefa ampiasaina ampiodinana ireny vata fampangatsiana ireny. Eo koa ny “climatiseur”.


Ny kojakoja fampiasa amin’ny fitaovana izay misy ny singa manome hafanana ka mampi-paritaka ny singa toy ny « Chlorofluorocarbures »(CFC) izany, dia hita ao amin’ireo fitaovana fanamboarana volo « Hydrochlorofluorocarbures » (HCFC).

Andriamatoa Rivo Rabemananjara, mpandrindra ao amin'ny BNO (Birao nasionaly ozona)

Na dia eo aza ny fifanarahana natao tany Montréal (“Protocole de Montréal”,Canada) hanatratrarana ny tanjona noho ny fahasimban’ity sosona ozona ity, dia ilaina ihany koa ny fanabeazana sy ny fampianarana, ary indrindra indrindra ny fanentanana ny tsirairay. Satria tsy ny tontolo iainana ihany no voakasika raha simba ny sosona ozona fa misy fiantraikany be  eo amin’ny lafiny ara-sosialy sy toe-karena eran-tany.

Eo amin’ny lafin’ny fahasalamana moa dia fantatra fa an-tapitrisany ny olona voan’ny aretina homamiadanan’ny hoditra (“Cancer de la peau”) ; eo koa ny fitaovam-pisefoana vokatrin’ny rivotra maloto aterakin’ny setroka eny rehetra eny ary ao ny areti-maso to any “cataracte”.

Andriamatoa Ban-ki-Moon, Sekretera Jeneralin'ny Firenena Mikambana

Ny Sekretera Jeneraly ny Firenena mikambana dia nanamafy rahateo fa ny fifanarahana tany Montréal, izay nentina hanafoanana ny entona simika manimba ny habakabakin’ny sosona ozona, dia mampiseho ny tokony hanajana izany. Izany dia mila miainga avy amin’ny finiavan’ny tsirairay ametraka politika matotra mba hananganana ny fahalalàna ara-siantifika sy ny fiarovana tokony atao, ny anjara andraikitra iraisan’ny rehetra ho fiarovana ity sosona ozona ity.


Na dia eo aza anefa izay rehetra izay,  dia tsy hodia tsy hita akory fa misy ezaka ataon’ny firenena tsirairay, ary anisan’izany i Madagasikara. Efa mitsangana rahateo eto Madagasikara ny UFM (“Union des frigoristes de Madagascar”), vondron’ireo mpanamboatra ny vata fampangatsiahana, ary efa nomena fiofanana manokana, miara-miasa akaiky amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny Ala.


Raha tsiahivina dia ny ozona dia sosona an’anabakabaka miaro ny zava-manan’aina rehetra eto an-tany , ka raha simba ny sosona ozona dia tsy ho hisy ny zava-manan’aina eto ambony tany ary dia hikorontany ny toe-andro.

Ka ny tena manimba azy io dia ny akora simika izay vokarin’ny zanak’olombelona. Araka izany, ny “Protocole de Montréal” dia natao mba hampihenana tsikelikely ny fahasimban’izay sosona ozona izay, ary indrindra hampitombo ny ezaka hanolona ireny entona ireny ho entona natioraly ity fifanarahana ity. Izany dia endrika iray hizorana mankany amin’ny toe-karena maitso. Ny tanjona dia ny hanafoanana tsikelikely ny akora simika .


Raha ny tantara ny “Protocole de Montréal”, dia firenena miisa 190 no nanao sonia azy ity ny taona 1997. Izany no natao dia hiadiana sy hanafoanana ny entona manimba ny sosona ozona, ary dia anisan’nyy nametraka tanjona lehibe amin’izany ny firenena Malagasy izay anisan’ny nanao sonia ity fifanarahana ity.

Ny eto Madagasikara tokoa mantsy dia hita fa mahatratra 13% ny hotely mampiasa fitaovana misy  ity entona ity ; 46% kosa ny mpanjono; 3% ny tokantrano sy ny fitaterana ary 26% ny indostria.


Noho izany, ny tsirairay  izay mampiasa ireny fitaovana toy vata fampangatsiahana ireny, dia tokony manatona ny teknisiana izay efa voahofana amin'ny fanamboarana azy, indrindra fa ireo fitaovana efa an-taonany maro no nampiasaina tao an-tokantrano. Midika izany fa tsy ny mpanamboatra ny “réfrigérateurs” rehetra dia afaka manala izany entona aminy izany ka madio indray avy eo, fa ireo  efa vahofana manokana no tokony anao izany asa teknika avo lenta izany.

Amin’izao fotoana dia efa misy ny teknisiana izay efa nofanina manokana, hanatanteraka ny fanesorana ireo entona simika any anaty ny vata fampangatsiana. Izany hoe angonina ireo entona manimba ary avy eo diovina ho lasa azo ampiasaina.

Ramatoa Laurence Ansermet, solotenan'ny ONUDI eto Madagasikara

Efa misy rahateo ny fitaovana izay mitentina 80.000 dôlara natolotry ny ONUDI, ary ho zaraina amin’ireo teknisiana efa nahazo fiofanana manokana. Ny solontenan’ny ONUDI, Ramatoa Laurence Ansermet, dia nitatitra tamin’ny fifanaovan-tsonia ny fandraisana ireo fitaovana teo amin’ny Talen’ny Kabinetran’ny Primatiora.


Efa 25 taona lasa izay no niara-nivory ny firenena rehetra voakasika ity “Protocole de Montréal” ity, ary samy nanao ezaka ho fampihenana, na ihany koa, ny fanafoanana tanteraka ity entona simika ity.

Izao fanamarihana izao dia tafiditra indrindra ao amin’ny faha-25 Taona nisian’izay fifanarahana tany Montréal izay.

Andry Rakotonirainy sy Jeannot Ramambazafy – 18 Septambra 2012

Mis à jour ( Mardi, 18 Septembre 2012 15:51 )