Marc Randrianisa. Mpamerin-keloka vonona indray ny hanao «attentat»

Samedi, 24 Juillet 2021 14:22 Articles
Imprimer

Marc Randrianisa sy Sahondra. Antitra vao miadaladala marina !

Vao nandre ny mpankahalala an’ny Filoha Andry Rajoelina rehetra fa hampian’ny mpamatsy vola mahazatra izy amin’ny praograma fampandrosoan’ny firenena malagasy narosony, dia niaka-peo daholo ny resy lava, ary namorona fivoriana tampoka teo izy mianakavy.


Tsy diso anjara ilay Marc Randrianisa, papan’i Tiavo Randrianisa izay voatery mizaka io anarana io tsy fidiny. Soa fa hanambady dia « née Randrianisa » sisa raha ilaina, ity vehivavy sangany amin’ny haiady taekwondo, ka tafiditra ao amin’ny ekipan’ny Firenena frantsay amin’ny Lalao olympika ao Paris amin’ny 2024.

Mahagaga mihitsy ny fehitsiky ny rainy rehefa injay taitaitra na misy manaitra. Sa efa lany henatra ? Fa ianareo hoe naman’ingahy Marco (izany koa no fiantso azy) aloha dia tsy maintsy ho fantatra ary ho loza no hiandry anareo satria resaka ATTENTAT sy COMPLOT anie no tiany atao, dia ny fiainanareo mihitsy no ho feno tebiteby e !


Ny an’ity Marc Randrianisa papan’i Tiavo, mpamono lolo ity (hatreto) moa dia adin’ny kanosa no ampiasainy dia ny vidéos afahany miteny izay tiany no kapoakany. Tena tsy misy mandeha amin’izay laonina mihitsy fa tena kinaolo lalin-tsaina marivo salosana fotsiny ihany. Vakio tsara anie ny anisan’ny voalazany ao anatin’ny vidéo farany nataony e :


« (…) Aleo fantany fa miketrika isika. Hanala eo isika, handaka an’ireo isika, hanababo an’ireo isika. Satria izao : izay tapak’isika ao. NA ATTENTAT io NA COMPLOT io. Satria, inona amin’izay ary no tokony ho atao. Raha ny 90%-ny eritreritry ny vahoaka (???) dia miala i Rajoelina. Avy eo manaraka ny hoe miala Ranona, miala Ranona, sambory Ranona… a a a, gadrao Ranona. Ireny manaraka ireny.

Fa izaho tsy d’accord mihitsy hoe amin’ireo avis an’ireo olona ireo, tsy misy tsy miteny hoe izao no izy. Kanefa raha ny vava aloha, efa ela i Rajoelina no lasa, sy amin’ny facebook an : efa ela i Rajoelina no lasa. Tsy mampiontsana an’azy mihitsy ny fitabatabana lavabe sy ny atao ao amin’ny facebook. Fa izao kosa, raha mihaona ireo olona tokony hihaona dia milaza fotsiny aho hoe zava-doza ho an’ny foza orana…

Maro ny fandrebirebena fa fantaro fa « on dégage » Rajoelina sy ny forongony. Izay : tsy hisy hoe hifampiresahana izany, fa manome fotoana anareo aho. Ho lazaiko ihany fa andro sabotsy sy alahady. 48 heures. Mifanome hevitra isika, hifandinika dia manapaka hevitra. Inona no raisina ? Tsy misy hoe organisation ana manifestation na hoe fihetsiketsehina an-dalambe sy ny sisa. Fa fanapahan-kevitra : inona no atao ho an’i Madagasikara ?

No toerana, ho lazaiko anareo ihany fa izao fotsiny : 1h30 miala an’i Paris. Isika izay handeha, dia miala eo amin’ny Porte d’Orléans, miara-miainga. Izaho tsy miteny hoe miara-manonja fa miara-miainga mitondra fiara (samy mandoa ny lasantsy izany ? ahahaha).

Ny toerana handehanana tsy ho lazaiko eto raha tsy eny an-dalàna. Io tsy resaka « discrétion » na hoe resaka « sécurité »fa eo no hatomboka ny fifampitokisana sy ny, a a a, fandevantenan’ny tsirairay. Ny « départ », sabotsy dia miverina alahady. Ny départ sabotsy samy mitondra sakafo dia iny no zaraina (???). Avy eo ny fatoriana misy fikarakarana ; ny sakafo misy fikarakarana ny alahady maraina dia atoandro. Dia avy eo mody any aminn’y tokan-tranony avy aminy efatra (…) ».

Saika adika teny frantsay ireo rediredy ireo nefa avelao amin’izao, ho hitan'ny havany eo, satria tsy ho an’ny vazaha ity lahatsoratra ity fa ho an’ny Malagasy eto Madagasikara. Fa mazava : tsy milamin-tsaina mihitsy ity vadin’i Sahondra sy rain’ny Tiavo ity. Marina e ! Mazotoa anareo rehetra izay hazoto handeha amin’izany toerana akaiky ny Paris izany.

Fa izay rehetra ho any aloha dia tsy maintsy ho fantatra, ary ho loza no hiandry anareo satria resaka ATTENTAT sy COMPLOT anie no tiany atao dia ny fiainanareo mihitsy no ho feno tebiteby e ! Izay ATTENTAT izany efa nataony teto Antananarivo ny taona 2011 (vakio ny ATO). Raha ny rediredin’ity Marc Randrianisa ity aloha no banjinina dia te-ho deraina fotsiny ihany izy. Tsy vao izao izy no manome hevitra mampibaribary fa tsy mahalala ny zava-misy marina eto Madagasikara eto izy.

Izany ATTENTAT izany koa efa nataony teto Antananarivo, teo amin’ny marais Masay ny taona 2011 (vakio ny ATO). Raha ny rediredin’ity Marc Randrianisa ity aloha no banjinina dia te-ho deraina fotsiny ihany izy. Tsy vao izao izy no manome hevitra mampibaribary fa tsy mahalala ny zava-misy marina eto Madagasikara eto izy fa misy zavatra na olona mibaiko azy, nefa efa mba zokiny ihany.

Tsindrio sary hijerenao ny vidéo an'i Rinah sy ireo entana hita tao amin'ilay trano nofain'i Marc Randrianisa sy ny sipany ao Isoraka

Iza marina moa no mba namany ao Frantsa ao ? Ry Fleury ve ? Ry Fanirisoa ve ? Toa tsia no valiny. Ireo tokoa angaha no mba nitalahoany hihaona aminy dia amin’izay «ho zava-doza ho an’ny foza orana» ? Ny akanjo moa akanjo menan’ny Miara-manonja, nefa toa tsy ekeny koa io vondrona io ?

Izao no mitaratra fa manao fanahin-jazakely ity rangahy ity. Tsy ny ho avin'ny taranaka no banjininy. Fa tsy maintsy ho hitan'ny zafi-kitrokeliny sy ny mihaotra ny adalany amin'izao vanim-potoana izao. Ianao ho faty fa ny marina tokana sy iray ihany ary tsy ho faty mandrakizay. Tohizo fa tsara. Halaza toa Rasanjy izany anarana Randrianisa izany

Izahay, eto Madagasikara no mipetraka, tsy vazaha taratasy velively. Izahay no miaina ny zava-misy eto fa tsy ianao Marc Randrianisa mirediredy manambany hatrany ny tany niaviany. Ka rehefa filoha voafidy -toa an’i Macron atao andriamanitra kely nefa tsy eo amin’ny fitondrana intsony amin’ny taona 2022-, no ataonareo tsinontsinona nefa any Frantsa no mialokaloka dia tsy misy miala aminareo eto fa ho karohana daholo izay mifandray tendro amin’io mpamono lolo io. Miseho tia tanindrazana ; milaza fa malaheo an’i Madagasikara ka maninona no tsy misy mitaky ny Nosy Malagasy na ny iray aza ? Mazavafa any ampita no monina fa ny toetra dia gasy petaka be fialonana sy entin’ny fankahalana fotsiny ihany.

Fa na dia tsy hahavita na inona na inona aza ianareo, tsy azo avela amin’izao satria mihevitra ianareo fa afaka manao izay tianareo any amin’ny 10.000km any ? Satria tsy misy havana ianareo aty Madagasikara mba misaina, mahalala ny zava-misy marina fa tsy hoe « ny 90%-ny eritreritry ny vahoaka dia miala i Rajoelina » ? Iza no mba namaly ny antson’io Marc Randrianisa io tamin’ny fitokanana ny Lapan’ny Besakana sy ny Lapan’ny Mpanjaka eny anaty Rovan’i Manjakamiadiana ?

Mahay mpamporisika ity mpamono lolo ity nefa ny ho aviny aza tsy fantany akory. Adinonao angaha Ramoe Marco fa ho faty ianao indray andro ka any vao hibebaka ? Tohizo ho anao ny adalanao fa aza manimban’ny fiainan’ireo « namanao ». Iza avy tokoa moa no naman’io Marc Randrianisa io ao Frantsa ao ? 17 no isa fantatra fa tena akaiky aminy mivantana. Fa ny tena mihinana ny manta sy ny masaka dia ireo mpiara-maka sary sy miara-misakafo be aminy. Samy manana Tantara ny fianakavana tsirairay maneran-tany. Fa ny an’ity Marco ity dia nanozona ny tenany ihany izy.

Marco sy Hery, tena "fanatique" an'i Marc Ravalomanana mihitsy. Zony izany ka...

Raha dinihiko ireo hoe namany akaiky dia raha io Hery vehivavy io aloha dia tena fanatikan’i Ravalomanana hatramin’izay ka hatramin’izao. Lojika raha mpinamana amin’i Marco izy. Fa raha i Sesety sy Jacky Joachim dia variana aho. Nefa asa. Efa taty Madagasikara ny lehilahy no tia fitafiana mpiandry omby amerikana (« cow-boy »). Fa samy manana ny firehany moa akory atao…

Sesety sy Jacky Joachim

Tsy ho tapaka lalan-drà akory no hahalasa an’ity Marc Randrianisa ity satria ataony kilalao ny fiainany iray manontolo. Fa ho avy tampoka toa mpangalatra amin’ny ora tsy ampoiziny i Ramatoa be mpitondra any amin’ny varo-tsy mifody. Asa raha hahita ny zafikeliny izy. Fa raha izao foana aloha no ataony kely finoana amin’izany aho. Aleho aloha izy hiasa mafy hiasa tsara. Saingy tsy hanompo ny Tompo, toa ny taloha tao amin’ny fiangonana FMPA Athis Fanantenana, fa hanompo andriamanitra hafa. Mazotoa rangahy fa ity lahatsoratra ity mijanona mandrakizay ho vakian’izay taranakao tsy ho hitanao maso.

Vaovao farany voary ny alin'ny sabotsy 24 jolay 2021 : nanoratra tamiko i Jacky Joachim ary nanazava fa tsy nahalala mihitsy ny zavatra ("activités politiques") ataon'i Marco izy no tsy miditra izany sehatra politika izany mihitsy fa «"Dance sy "Music" ihany ka». Nanontaniako i Rossy fa dia hoy izy : « Namako mpiara-mandihy amiko tamin'ny andron'i Tsilavina Ralaindimby i Jacky ary tsy mbola niditra politika. Countryman mpandihy izy ary nahazo loka maro foana ». Ary dia ireo tokoa ny sary manaporofo izany.


Nanambara ihany koa i Jacky Joachim fa ny nahafantarany an'i Marc Randrianisa dia amin'ny maha rain'i Tiavo. Izay ihany. Raha izany dia azo lazaina fa voajonon'i Hery ry Jacky Joachim ka ny lazany no hanambarana avy eo fa efa miaraka aminy sy io Marco io ny Malagasy maro ao amin'ny tontolon'ny zava-kanto. Fomba fiadin'inona re izany e ?!


Mpomba an'i Marco mpamono lolo daholo koa izany ireo olona eo ambany ireo ?! Revin-gadran'olona efa nigadra noho ny nanafiany ny ambasady malagasy tao Paris, niaraka tamin'ny GTT, ny taona 2009 (ETO).


Jeannot Ramambazafy

Mis à jour ( Dimanche, 25 Juillet 2021 10:04 )