]
Les quotidiens du 28 Mar 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Articles Tranon’i Andry Rajoelina : Solo Razafy, mpanoratra mpanompo an’i Ravalomanana fahatany

Tranon’i Andry Rajoelina : Solo Razafy, mpanoratra mpanompo an’i Ravalomanana fahatany

"Tranobe ataon-drajoelina atsy Maurice", hoy Solo Razafy tsy nihambahamba. Tena bandy sahy izy e ! Tsy misy mibedy tsinona ko. Tsy aleo ve manao izay saim-pantatra aloha ? Sao mahazo trano avy any amin'i Dada tokoa niafarany, satria "miasa be" ?

Dia io koa fa noraisin'ny tananews soa aman-tsara ny laingan'i Solo Razafy. Tsy omen-tsiny akory tananews fa ny fototr'ilay "vaovao" no tena fositra tsy manaja ny asa fanaovan-gazety. Na izany aza, rariny raha manitsy io "intox" io ny tananews mba hanajany ny atao hoe "crédibilité" na ny fahamarinan'ny lahatsoratra avoakany. Eny, na nampiasa ilay "conditionnel" aza.

Tena herintaona katroka aho no nanao fikaroana vao nahita ny marina. Satria ny 6 Aogositra 2012 tokoa Ingahy Solo Razafy, misalotra ho “mpanao gazety” ao amin’ny mydago.com, no namoaka io hitanareo eo ambany io, dia ny zava-bitany momban'io trano io. I Solo Razafy koa moa dia ilay fatra manoratra ny hoe : “Tadidinareo koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin’i MyDago ity?”.


Fa nisy “forumiste" iray ihany no mba nanontany, satria mipetraka ao Maorisy. Ilay faharoa moa dia io: "I Solo Razafy -journaliste tsy mba mandainga- mihitsy, hono, no naka an'io sary io tany Maorisy". Mampalahelo e.

Dia revo tokoa ry zalahy “forumistes", fa zaran-dry zareo aza nahita hirika hanompana an’i Andry Rajoelina sy hanompoana be be kokoa an’i Marc Ravalomanana. Ny marina anefa marina ihany ary iray ihany. Efa 34 taona aho no nanao ity asa fanaovan-gazety ity ka tsy hanaiky mihitsy ny hoe misy olona mandoto ny hasiny noho ny fankahalana olona iray satria manompo ny heverina andriamanitra kely latsaka an-tany.

Tsindrio eto ahitanao ny tena marina

Rehefa nikaroka aho, ela ny ela hitako tokoa ny marina, na dia lazaina hoe fisaka. Ay ilay trano lazain’ity Solo Razafy ity fa “Tranobe ataon-drajoelina atsy Maorisy” (île Maurice) ity dia any Texas, U.S.A. no misy azy. Ary tsy an'ny Filohan'ny Tetezamita, Andry Rajoelina, velively, mazava ho azy.

Io ambony io ilay izy. John Henry no naminavina sy nanorina azy, ary tafiditra amin’ny hoe rafitra avy any Espana (“style espagnol”). Io ambany io kosa ilay trano nalaina andro alina.


Ny fanontaniako dia tsotra: inona moa izao ny tombontsoan’io Solo Razafy io amin’ny fandotoany ny asa fanaovan-gazety? Tsy hidirako izay fifanarahany amin’i Marc Ravalomanana fa dia ahoana ny aminy atsy ho atsy? Satria anie ny fiainana mitohy foana, ka iza intsony ny hino ny “vaovao” havoakan’ity tovolahy sady manimba tena no manoso-potaka ny fanaovan-gazety iray manontolo? Matoa niniany navoaka io dia tsy ainy akory ny zo sy adidy ny mpanao gazety. Ny voalohany indrindra dia ny manao “recoupement” na fanadiadiana vao mamoaka itony karazana “vaovao” itony.

Tsy hitan'i Solo Razafy angaha ny ao anatiny toa izao ? Sa ny fanosoram-potaka no tena "mission", satria tsy ho bedy na ho voasazy mihitsy ?

Fa iza moa no hanasazy azy eo ? Ny “code de la communication” aza tsy hita ny nanjavonany, ary ny Filoha Rajoelina tsy handany fotoana amin’ny zavatra tsy mari-pototra. Sa izay mihitsy ny tanjona ? Boay kely Dj io ka mety hisendaotra sy hanagadra ? Andraso eo i Paoly ! Asa rehefa tafaverina amin’ny laoniny ny fiainan’i Madagasikara ara-politika raha hisy sahy handray an’i Solo Razafy ho "mpanao gazety"? Mety hisy aloha e, satria izy no ataon’ny vazaha hoe “factotum”, “homme de main”, ka na zavatra tsy hampanaovana azy aza vitany. Indrindra fa ny lainga na koa "intox". Io ny porofo. Tena mampalahelo ireo mpamaky ny soratr’io Solo Razafy io. Ary izaho tsy mino loatra fa i Marc Ravalomanana no nampanao azy an’io zavatra tena ivelan’izany fanaovan-gazety izany. Asa, mety ho vidian’i Dada ho azy angamba io trano eo ambany io ? Iza tokoa no mahita?

Trano naorin'i John Henry koa izy ity. Sa an'iza ao amin'ny Tetezamita indray re ?

Ny hita aloha dia mahazo tompon-daka eran-tany amin’ny fanaratsiana ny mpiray tanindrazana ny sasany. Io ilay nolazaiko foana hoe: ny fahavalo voalohan’ny Malagasy dia Malagasy toa azy ihany. Samia mandini-tena fa raha izany no mitohy dia na 100 taona aza no mandalo dia mbola hampahantra fadiranovana ara-bola foana io fahantran’ny saina io.

Manatrika ahy ireo, ny 6 Aogositra 2013, ny hoavin'ny fanaovan-gazety Malagasy, raha tsy manara-dia an'ity Solo Razafy mpamorona sy mpandainga ity. Ny fialan-tsiny ? Tsy fantany izany. Asa, iza tokoa no nitaiza azy ?

Ry tanora mpanao gazety Malagasy vao misondrotra : fadio tanteraka ny manoratra toa io Solo Razafy io fa mandoto ny anaran-dry Gaby Ramananjato, Stéphane Jacob, Max Ratsimandisa, Georges Rakotondrasoava sy ny afa efa lasana. Na dia tsy nitovy hevitra tamin’ireo mpitondra nifandimby teto Madagasikara aza izy ireo, dia nanaja hatrany ny fenitra ("déontologie").

Jeannot Ramambazafy – 10 Aogositra 2013

Mis à jour ( Lundi, 12 Avril 2021 08:57 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety

 

RATSIMANDRESY ANNA RAYMONDE (NANA). FISAORANA SY VIDEO