Chine: Taratasin'ny mpianatra ho an'ny Filoha Andry Rajoelina

Dimanche, 07 Juillet 2013 16:56 Articles
Imprimer

Ampahan'ireo mpianatra Malagasy any Sina

FANAMBARANA

Ho an’ Andriamatoa Filohan’ny Fitondrana Avon’ny Tetezamita, Andry Nirina Rajoelina izay tanora zoky sady namana sy ireo ratsamangaika isany izay voakasika.

Izahay mpianatra Malagasy aty Sina, mandray ny vatsim-pianarana avy amin’ny Fanjakana Malagasy, dia manao izao fanambarana izao:

1. Maneho ny fisaorana feno ny fitondrana Malagasy izahay, nanome anay alàlana handranto fianarana aty ampitan-dranomasina, ary nanome anay ny vatsim-pianarana enim-bolana voalohany tamin’ny taom-pianarana lasa (2011-2012).

2. Izahay aty Sina dia tsy feno valonjato 800 mpianatra izany araka ny filazan’ny sasany azy, fa ny isanay marina aty dia 274 vatsian’ ny Fanjakana vola: 264 tonga tamin’ny 2011 -2012 ary 10 kosa ireo efa tonga taty Sina talohan’izay.

3. Tsipahanay ankitsi-rano ny fampodiana anay raha toa ka tsy misy ny fandoavana ny vatsim-pianaranay tavela any amin’ny Fanjakana Malagasy, ka mazava fa tsy sanatria hoe vola toy rano natondraka gisa fotsiny ny vola lanin’ny raiamandreninay taty Sina nandritra izay 18 volana tsy niantohan’ny Fanjakana anay rehetra izay.

4. Hamafisinay ny temboka fahatelo etsy ambony, fa tsy ekenay koa ny fanaovana ny zanak’Ikalahafa ny mpianatra aty Sina. Ka noho izany dia tsy hody avy aty izahay raha tsy andraisanareo fepetra mifanaraka amin’izany koa ny any aminy firenena hafa ankoatra anay aty Sina toy ny : Canada, Etats-Unis, France, sns.

5. Tapaho haingana ny hevitrareo ry Fanjakana Malagasy ary ataovy haingana fa olombelona manana ny hoavinay izahay mpianatra aty Sina, ka mila daty sy isan’olona ary anarana votondro mazava tsara izay lazainareo fa hampodinareo Mpitondra manam-pahefana, izahay mpianatra rehetra aty Sina.

6.6. Farany Andriamatoa Filoha, fantatrao fa miankina amin’ny fanapahan-kevitra raisinao ny hoavinay zandry namanao, sy ny endriky ny Firenena Malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, ny fampandrosoana an’i Madagasikara.


7.7. Apetrakay eo ampela-tananao Andriamatoa Filohan’ny Fitondrana Avo ny Tetezamita, Andry Nirina Rajoelina, ny momba anay, ary matoky ny fahendrenao izahay.

Masina ny Tanindrazana.

Mis à jour ( Dimanche, 07 Juillet 2013 17:09 )