]
Les quotidiens du 23 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Communiqué Déclaration Frantsa. 1,5 tapitrisa euros ho an'ny Faritra Atsimon’ny Madagasikara

Frantsa. 1,5 tapitrisa euros ho an'ny Faritra Atsimon’ny Madagasikara

FILAZANA AN-GAZETY

1,5 tapitrisa euros ho an'ny Faritra Atsimon’ny Madagasikara : Manatevin-daharana mamaly ny Antso Tselatra nataon’ny Firenena Mikambana hiadiana amin'ny kere ny firenena frantsay.


Manohana tanteraka an’i Madagasikara hiady amin'ny kere any amin'ny faritra atsimon'ny firenena i Frantsa. Noho izany, manome 1,5 tapitrisa euro ny firenena frantsay ho famaliana ny Antso Tselatra nataon’ny rafitry ny Firenena Mikambana eto Madagasikara mba hanampiana ny mponina ao amin'ny faritra atsimon’ny Madagasikara tratry ny haintany sy ny tsy fanjarian-tsakafo (kere).

Ity no ampahany fanampiana ara-tsakafo voalohany voalahatra ho an'ny taona 2021 ataon'i Frantsa ho an'i Madagasikara. Ny famatsiam-bola nomena ho an'ny tetikasa 4, (etsy ambany ny antsipiriany), dia hanampy olona maherin'ny 50.000 isa. Ireo tetik'asa voafantina, izay mifanaraka amin'ny teny nomena sy ny laharam-pahamehana frantsay amin'ny lafiny fanampiana ara-tsakafo, dia miparitaka amin'ny faritra tena ieren-doza indrindra amin'ny resaka fiarovana ara-tsakafo ary natao hanatsarana ny toe-pivelomana-ara-tsakafon'ny mponina voakasik'izany.

A.750.000 € ho an'ny PAM


Ao anatin'ity tetikasa vatsiam-bola ity, ny tanjon’ny PAM dia ny hisorohana ny tsy fanjariantsakafo amin'ny alàlan'ny fampitomboana ny fahazoany vehivavy bevohoka sy mampinono (vehivavy maherin'ny 1.200 no voakasik'izany) sy ny ankizy 6 ka hatramin'ny 23 volana (sahabo amin'ny 1.800 voakasik'izany) sakafo mahavelona mifanaraka sy ny hitsabo zaza sahabo ny 20 000 isa 6 ka hatramin'ny 59 volana tratry ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika antonony any amin'ny kaominin'Anavoha sy Androimpano ao amin'ny distrikan'i Ampanihy,

faritra Atsimo-Andrefana.

B. 300.000 € ho an'ny Fikambanana Tsy miankina amin’ny Fanjakana GRET, matihanina momba ny fampandrosoana mifandray


Ny tetik'asa GRET, dia mifameno amin’ny tetikasan’ny PAM satria mikendry faritra samihafa ihany koa, dia mahakasika ireo kaominina roa lehibe ao amin'ny distrikan'Ambovombe, faritra Androy izay tena iharan'ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika ny mponina ary zara raha mahazo ny tolotra avy amin’ny fiaraisa-monina momba ny fihinanan-kanina.

Ny tanjon'ny ONG dia ny hanamafisana ny fandraisana an-tanana an’ireo ankizy tratry ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika antonony amin'ny alàlan'ny fanafahana ny anjara sakafo fanampiana, ny hanohizana ireo asa momba ny harato ara-tsosialy ho an'ny renin'ny zaza 6 ka hatramin'ny 24 volana sy ny vehivavy bevohoka ary ny mampinono mandritra ny vanim-potoana maitso ahitra ary hanatsarana ny fomba fanao ara-tsakafo.

Farany, mihevitra ny hanohana ireo asa ireo ny tetikasa amin'ny alàlan'ny fanabeazana ny mponina amin'ny fomba fihinanan-tsakafo tsara, sy fikarakarana ary fahadiovana, amin'ny alàlan'ny fanomezan-danja ny legioma sy voamadinika any an-toerana.

C. 250.000 € ho an'ny Action Contre la Faim (ACF)


Ny tanjon’ny tetik'asa Action Contre la Faim dia ny hanatsara ny fiarovana momba ny fivelomana amin’ny sakafo ho an'ireo vondrona marefo, amin'ny alàlan'ny fanatsarana ny fahazoany ny tolotra fandraisana an-tanana ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika ary amin'ny fanamafisana ny fivondronam-behivavy ho an'ny faharetana, fizakan-tena sy ny fahamaroan’ny karazana sakafo. Izy io koa dia mifameno amin'ny tetik'asa ny PAM satria miparitaka amin'ny faritra tsy voarakitr'ity tetikasa ity.

Ny tanjon'ity tetik'asa ity dia ny hanohanana ny hetsika ho an’ny fiarovana ara-tsakafo amina fe-potoana antoniny sy lavidavitra ezaka amin'ny alàlan'ny fampiasana fomba fanao ahafahana manamafy ny fizakan-tena sy ny faharetan'ny tokantrano ary manamafy ny fisorohana sy ny fitsaboana ny tsy fanjarian-tsakafo.

Arak’izany, ity tetik’asa ity dia manolo-kevitra ny hanatsarana ny fahazoana sy ny kalitaon'ny tolotra amin'ny fandraisana an-tanana ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika antonony amin'ny alàlan'ny fametrahana paikady mandroso ana toeram-pitsaboana azo afindra maneran’ny Faritra Atsimo ary hanamafisana amin’ny fomba maharitra ny fahafahan'ireo tokantrano marefo ahazo fahafaham-po amin’ny fivelomany, manatsara sy manamaro karazana ny fiarovana ara-tsakafony amin'ny alàlan'ny fampiroboroboana ireo vondrom-behivavy.

Hitondra tombontsoa mivantana ho an’ny olona maherin'ny 11.000 izy io, ao anatin'izany 10.000 zaza latsaky ny 5 taona mijaly amin'ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika.

D. 200.000 € ho an’ny Humanité et Inclusion (HI)


Ny tanjon’ny tetik'asan’ny ONG "Humanité et Inclusion" dia ny hanome fanampiana aratsakafo vonjy maika ho an'ireo olona manana fahasembanana sy ny ankohonany ao amin'ny faritra Atsimo-Andrefana mba hampihenana ny loza mety hitranga ara-tsakafo mifandraika amin'ny haintany any amin'ny faritra Atsimo, sady manohana ny tolotra momba ny fahasalamana amin'ny fampihenana ny fahasembanana eo amin'ny ankizy 0 ka hatramin'ny 5 taona mijaly amin'ny tsy fanjarian-tsakafo na tsy fahampian-kanina.

Hitondra tombontsoa mivantana ho an'ny olona manana fahasembanana maherin'ny 10.000 sy ny ankohonany (izany hoe olona maherin'ny 5.000) ary manodidina 800 zaza 0 ka hatramin'ny 5 taona mijaly amin’ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny ray aman-dreniny izy io.

***

Ireo ONG frantsay telo ireo, izay tena miasa mavitrika ao atsimon'ny firenena, dia miaramiasa amin'ny famolavolana paikady iombonana amin’ny fandraisana an-tanana, indrindra ho an'ireo zaza tsy ampy sakafo. Mifameno noho izany ny hetsik'izy ireo ary vao mainka mahomby kokoa.

Masoivoho Frantsay eto Madagasikara

Antananarivo, 16 avrily 2021

Mis à jour ( Vendredi, 16 Avril 2021 16:29 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety