Claudine Razaimamonjy. Mazava dia mazava ny fanazavan’ny BIANCO

Jeudi, 06 Avril 2017 13:14 Déclarations
Imprimer

Foiben'ny BIANCO Ambohibao, Zoma 20 Janoary 2017. Nanao fitsidiana io toerana io Andriamatoa Antonio Sanchez-Benedito, Ambasadaoron'ny Vondrona Eoropeana eto Madagasikara. "Vonona hanampy ny Vondrona Eoropeana eo amin'ny ady amin'ny kolikoly sy eo amin'ny fanamafisana ny Tany tan-dalàna eto Madagasikara", hoy izy tamin'ny Tale Jeneraly, Jean Louis Andriamifidy

Aiza ary izany ny "recoupements", Andriamatoa minisitra

Sanatria ho lasa toa ny minisitra Anandra Norbert ve ny ministry ny Fitsarana Andriamiseza Charles? Satria tokoa mantsy dia feon-dakolosy tokana avy any amin’ny mpisolo vava miaro an-dRamatoa Claudine Razaimamonjy no novelabelariny omaly efa ho sasak’alina teo anatrehana mpanao gazety namaly ny antso ary hita sy re tao aminy TVM. Aiza ary izany ny "recoupements", Andriamatoa minisitra o?

Fa inona izany ny tena marina eo amin’ny lafin’ny lalàna manan-kery eto amin’ny Tany sy ny Fanjakana? Asa aloha fa ataoko fa mazava dia mazava ny fanazavan’ny BIANCO ao anatin’ity fanambarana manaraka ity. – Jeannot Ramambazafy

************


FANAMBARANA

Mipetraka ankavanana eo amin'ny sary: Jean Louis Andriamifidy, Tale Jeneralin'ny BIANCO sady Mpitsara

Mba hisian’ny fitoniana eto amin’ny firenena sy hanazavana ny saim-bahoaka dia manao izao fanambarana izao ny BIANCO :

Ny BIANCO dia fatra-panara-dalàna na dia mahaleo-tena aza. Hamafisinay fa manaraka ny didy aman-dalàna avokoa ny fizotry ny asa atao eto amin’ny Birao.


Mikasika ny fanambarana nataon’Andriamatoa Mpitahiry ny Fitombon-kasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana omaly tamin’ny 11 ora alina, izay nilatsaka toy ny varatra tokoa dia heverinay fa voafitaky ny mpisolo vavan’ny fiarovana izy. Mazava loatra fa io mpisolovava io dia miandany amin’ny olona arovany.

Andriamatoa Minisitra rahateo tsy nanao fanamarinana na nanontany vaovao taty aminay nahafahanay namelabelatra taminy ny fizotry ny raharaha mialoha ny nanaovany iny filazana iny.

Ambaranay fa ny fanapahan-kevitra rehetra raisina mahakasika ny fanadihadihana momba raharaha goavana toy itony, izay ataon’ny Birao, dia tontosaina eo ambany fitarihana sy fanaraha-mason’ny Tale Jeneraly avokoa.

Fa amin’ny lafiny ara tekinika sy araky ny lalàna kosa dia izao no zava misy marina sy azo ambara :

Nahazo fitarainana dimy avy amin’olon-tsotra sy tatitra iray mahakasika ahiahy famotsiam-bola avy amin’ny SAMIFIN ny BIANCO mahakasika an’i Ramatoa Claudine RAZAIMAMONJY.

Voatery nosamborina izy rehefa tsy namaly ny fiantsoana am-panajana nifanesy nomena azy.

Natao andry maso na «garde à vue» voalohany izy mikasika ny raharaha nanaovan’ny Biraom-paritr’ Antananarivo fanadihadihana azy.

Tapitra omaly ny 48 ora nitazoman’ny Birao-paritr’Antananarivo azy ary nampahafantarina azy tamin’ny « Procès-verbal » izany.

Omaly ihany dia tonga teto Antananarivo ny mpanao fanadihadihana maromaro avy any Fianarantsoa nitondra ny antontan-taratasin’ady miisa 3 mahakasika azy. Izay mila ny fakana am-bava azy sisa hahafahana mamarana ny fanadihadihana.
Nampahafantarina azy araka izany, teo anatrehan’ny mpisolovavany ihany, ny fanaovana andry maso azy vaovao amin’ireo raharaha hafa ireo mba hahafahana mamarana ny fanadihadihana atao aminy.

Ny raharaha anaovana fanadihadihana azy araky ny efa voalaza dia misy maromaro ary mahakasika sehatra sy faritra maro samihafa.

Marihinay fa ny lalàna momba ny paika ady heloka sy ny fehezan-dalàna famaizana dia tsy azo adika amin’ny fomba malalaka fa « d’interprétation restrictive ».

Tsy misy andinin-dalàna manan-kery mandràra ny fanaovan’ny rafitra mpanao fikarohana fandikan-dalàna iray andry maso na « garde à vue » aorian’ny nahataperan’ny vanim-potoana voalohany nanaovana izany andry maso izany nohon’ny raharaha hafa.

Fanao eo amin’ny fiaraha miasan’ny mpanao fanadihadihana rehetra izany ka rehefa misy tokony ilàna izany fanaovana andry maso noho ny raharaha samihafa izany dia azo atao soa aman-tsara ny manao izany.Ireo mpikaroka fandikan-dalana rehetra dia manao izany ary rehefa mahavita ny rantsana na rafitra iray dia mandray ny raharaha, mandray ilay olona ary manao sy mamarana ny fanadihadihana amin’ny raharaha eo am-pela-tananany ilay rafitra faharoa hafa amin’ny fanadihandiahana raharaha hafa.
Amin’izany izy dia mamoaka fanaovana andry maso vaovao na « garde à vue ».
Tsy « cumul de garde à vue » izany na andry maso mifampitohy no resaka eto izay ekenay tokoa fa mety hanohitohina ny zon’ny fiarovana sy ny zon’olombelona fa «existence de deux gardes à vue distinctes pour des faits distincts et par des entités d’enquêtes distinctes», andry maso samihafa, raharaha samihafa ary rafitra mpanao fanadihadiana samihafa.

Tsy mandika lalàna araka izany ny Birao ary napetraka sy miasa ho an’ny fanajàna izany lalàna izany mihitsy aza.

Farany dia manentana antsika rehetra mba ho tony amin’ity raharaha ity ary manamafy ny fahavononana hamarana ny fanadihadihana alohan’ny hanolorana ny olona hanaovana andry maso eo anatrehan’ny «Chaine pénale anti Corruption».

Mba hisorohana ny tranga mifamahofaho toy izao dia mbola manentana ny olom-pirenena rehetra mba hamaly ny fiantsoana atao aminy rehefa misy ny raharaha ilàna azy ireo aty amin’ny BIANCO satria ny fandihadihana dia tsy maintsy vitaina ary ny fanadihadihana tsy midika fa meloka ny olona iray.

Natao Androany, faha 06 aprily 2017

Mis à jour ( Vendredi, 07 Avril 2017 04:33 )